...ho soratsoratra manainga fanahy

...ho soratsoratra manainga fanahy

Raha maty androany aho...

AnkapobenyPosté par Berïnson 2017-04-08 10:21

Iza no hanampo hoe iny mivoaka ny trano maraina iny, andeha hamonjy asa, hiantsena na hihaona amin’ny namana dia loza no mitsena, fahafatesana no hita? Iza no hanampo hoe iny ilay mijanona ao an-trano iny, mitafatafa amin’ny vady na zanaka tiana, manao ny raharaha isan’andro na matory dia tonga tsy miera ny fahafatesana? Iza no hanampo hoe mety hitranga na amin’iza na amin’iza izany saingy tsy manam-potoana hisainana lalina izany ny tena. Satria miaina. Variana miaina. Tsy anaty programa ny ho faty. Ny handingana io varavarana io dia tsy hisy intsony.

Raha maty androany aho, betsaka ny zavatra noeritreretiko mbola hatao saingy azoko afoy tanteraka satria efa niaina ny fiainana tiako niainana aho. Efa niaina fahazazana sy fahatanorana tsy tonga lafatra nefa feno fitiavana aho. Efa nandia taona maro nanantena niafara tamin’ny fahadisoam-panantenana tanteraka. Efa nitomany ny ranomason’alaheloko rehetra aho. Efa nigoka ny hamamin’ny hoe tiana sy lalaina. Efa nankafy ny segondra tsirairay niarahana tamin’ny namana nanaovana hadalana sy nihomehezana. Efa nahita ny tsiron’ny hoe nandray an-tanana ny fiainana sy nahita ny voka-tsoan’ny fikirizana.

Raha maty androany aho ka maty alohanareo ray sy reny niteraka ahy, tiako ho fantatrareo fa fantatro fa izay noteneninareo sy nataonareo dia ny hahatsara ahy. Fantaro fa tsy misy zavatra tiako ho hafa kokoa tamin’ny fahazazana sy fahatanorana mamy sy feno fitiavana tanilanareo. Ny fahazarana tsara sy ny soa toavina nomenareo dia sarobidy tamiko sy nanefy ilay izaho androany. Tiako ho fantatrareo fa izay safidy nataoko, nety na tsy nety, dia safidy tsy nataoko handratrana anareo fa safidy hianarako ny fiainana. Raha azoko natao dia nakambako Soeda sy Madagasikara dia ho teo anilanareo foana aho nanohana ny andavanandronareo amin’ny fahanterana.

Raha maty androany aho ka maty alohanareo telo dahy iray tampo amiko, tiako ho fantatrareo fa mieritreritra anareo isan’andro aho na eo aza ny elanelan-tany. Tsy misy andro lasa ka tsy hieritreretako anareo sy hahatsiarovako ny fahazazana sy fahatanorantsika niaraka. Fatotra sy kofehy amboniny tsy azon’inon’inona na iza iza tapahina ireny na tiana na tsy tiana. Tiako ho fantatrareo fa na zoky tsy teo foana niaro sy nanohana izay safidy nataonareo aza aho dia tsy niova aho fa mbola ilay zoky manahy sao tsy sambatra ianareo. Ilay zoky manantena fa na tsy eo aza aho, na eo aza ny fiainana nofidiana aleha avy, dia eo foana ianareo ho tia sy hikolokolo ny ray sy reny nipoirantsika.

Raha maty androany aho dia tiako ho fantatr’i Maro koa fa fantatro fa ilay hodiny mafy be toa hodi-tsokatra ety ivelany io no miaro ilay olona be fitiavana, tia manampy, tia manoro sy manitsy izay tsy mety. Harena sarobidy tsy voasolon’inon’inona na voasolon’iza n’iza ny fisianao tamin’ny fiainako, Maro. Iza ny olon-tiana sady namana hahavita ho ahy ray masiaka be ronono sy anadahy mpisangy ratsy raha tsy ianao? Tiako ho fantatrao fa ianao ilay olona tsy vitan’ny fo fidiana irery nefa tsy tapaky ny saina lalaina irery. Matoa tonga hatreto isika dia noho ny fiaraha-miasan’ny fahadalako sy ny fahendreko mikonokonona amin’ny fiaraha-miasan’ny fahadalanao sy ny fahendrenao.

Raha maty androany aho, dia tsy maty aho fa matory. Satria fantatro fa ao am-pon’izy mianadahy lalandava aho. Ianareo no anakandriamasoko roa. Raha marary ianareo dia ory ny aty fanahiko. Faly ianareo dia sambatra aho. Ianareo no zavatra tsara indrindra nihatra tamiko sy isaorako an’Andriamanitra isan’andro. Izy koa no angatahiko hitari-dalana anareo sy hiaro anareo. Ny faniriako lalina ao dia ny hahatsapanareo fa n’inon’inona mitranga amin’ny fiainanareo, na tsara na ratsy, dia raisina sy ekena am-pahendrena. Rehefa avy eo, ampiasao ny hery sy tanjakareo hanatrarana ny nofinofinareo rehetra. Sambatra aho, tena sambatra aho manana anareo!

Raha maty androany aho, ampiakanjoy akanjo tsotra. Ataovy anaty vata tsotra. Na anaty vazy tsotra. Aza mandany vola mividy voninkazo na zavatra hafa. Fantatro fa tia ahy ianareo na izany aza. Ampiasao am-pahendrena iainanareo fiainana tsara sy mendrika ny vola. Andefaso mora an’ireny hira tiako be nefa mahasosotra anareo ireny aho dia tsofy rano handry am-piadanana. ’ndrao aho hifoha eo, hanaraka ny dianareo, satria tsy foiko loatra ny fiainana misy anareo.



  • Commentaires(4)

Fill in only if you are not real





Les tags XHTML suivant sont autorisés: <b>, <br/>, <em>, <i>, <strong>, <u>. Les feuilles de styles CCS et les Javascripts ne sont pas autorisés.
Posté par Lalasoa 2017-05-10 09:49

Marina izany! Isika tsy maina fa lena...

Posté par Angie 2017-05-09 09:31

Tena tohina ny foko namaky azy ity fa tena nitovy ny tao an-tsaiko raha nahare fa namoy ny ainy tamin'ny lozam-pifamoivoizana raha nitondra moto iny ny rain-jaza (telo mianadahy) mpiaramianatra amin'ny zanako. Nangovitra aho nipararetra satria ny vadiko koa nitondra moto ary 3 koa ny zanakay.miantso azy impolo aho tsy nahazo, tena nitomany nifofo mihitsy. Rehefa nahazo hafatra tao amin'ny whatsapp ny sekoly vao niaina kely fa hoe Tsy ny vadiko izany na dia nalahelo ilay ankizy ihany aza. Lasa resakay mivady nandritry ny andro manaraka ny hoe raha izaho no Lasa aloha na ianao dia ahoana no atao? Satria moa ny fihaviana sy fomba tsy mitovy.ny tena rehefa azom-pahoriana dia mety tsy hahadinika ka mba tsy hampisy fahasahiranana ilay tavela irery amin'ireto ankizy dia aleo asiana resaka. Koa satria hirariana fa ho marina ilay fiteny hoe ny hamisavisana ny ratsy hiavian'ny soa dia namisavisa Teo mihitsy izahay. Enga anie mba ho ela vao ho Tonga ny antso fa mbola maro ny adidy amin'ny kilonga saingy raha toa ka Lasa aloha dia mba efa nisy izay kinasa. Firarian-tsoa sy fizarana Fitiavana no atao an-doha ka na inona mihantra na inona midona isaorana ny Tompo efa nanome fotoana. Aleo ny anio no banjinina fa ny ampitso tsy hay raha mbola ho hita. 😍

Posté par Lalasoa 2017-04-08 15:43

Eny, marina be ny vinavinanao fa nahatonga saina iny omaly iny. Amin'ny andro mahory, hono, mieritrereta.

Posté par Lhl Tsyresy 2017-04-08 14:32

Lalina sy mendri-piderana tokoa izany eritraritrao izany. Ohatry ny lasa ny saiko hoe mety ilay loza vokatry ny nataon'ilay mpampihorohoro nanitsaka olona tamin'ny kamiô tao andrenivohitr'i Soeda angamba no nahatonga an'io eritreritra io? Izaho izay manoratra koa dia matetika tojo eritreritra hoe « Raha maty androany aho... ». Indrindra indrindra rehefa misesisesy matetika ny horohoron-tany mahery vaika mampipararetra eto amin'ny tany itadiavako ravin'ahitra, dia hoy aho hoe: « Raha maty androany aho... dia asa re... ». Indrindra koa isaky ny heno fa hoe misidina eny amin'ny lanitra indray ny balafomanga fandrahonana alefan-dry zareo ao Korea Avaratra, dia hoy aho hoe: « Raha maty androany aho... dia asa re... ».