...ho soratsoratra manainga fanahy

...ho soratsoratra manainga fanahy

Be izay

Tantara mandaloPosté par Berïnson 2016-06-02 21:50
- Be izay nosoratako momba ny fitiavana izay hany ka nisy fotoana aza ninoako fa tsy manana hosoratana momba ny fitiavana intsony aho. Saingy androany tsy mety fa... androany tsy maintsy hanoratra... tsy maintsy holazaiko anao...
- Ny inona no holazainao ahy?, hoy i Tovo nibetroka nanapaka ny fahanginana nitadiavana izay teny hofidiana tsy handratra lalina loatra ny iray.
- Mitonia ianao dia mipetraha fa aza mora sendaotra toa io, hoy i Noro nanalefaka ny feony, ny masony tsy miala eny amin'ny totohondry mivonkin'ilay malalany.

- ...
- Fantatrao i Tojo "sarim-bavy", ilay niara-nianatra tamiko hatrany amin'ny kilasy fahafito. Hay ao amin'ilay trano fanontam-boky eo amin'ny kihon-dalana hidina ho any am-piasana iny izy no miasa. An-dalana andeha hisakafo atoandro aho no nahita azy nivoaka avy tao. Efa ho roa volana izao mihaona foana izahay isaky ny atoandro. Fantatrao fa na izy na izaho, samy nitempo fitiavana mangina saingy... Fantatrao fa ny antsika...

- Lazao hatramin'ny farany izay tianao hotenenina e!, hoy i Tovo manindry mafy ny fahatezerany.
- Mety mbola tia azy aho angamba, ry Tovo...
- Fa ianao ve vehivavy tsisy saina e?
- Tsy saro-kenatra intsony toy ny taloha izy fa mifampiresaka tsara sy mifankahazo izahay...

Samy nangina tsy nisy nihetsika teo amin'ny toerany izy roa. Ny feon'i Tovo mifendrofendro hitomany no nanapaka izay samy eritreritra mangina tany.

- Mieritreritra ny hiala amiko ve ianao noho i Tojo? Izay no tianao hahatongavana?...
Noro! Manontany anao aho!
- Nomeny ahy ity taratasy ity androany saingy tsy navelany hovakiako raha tsy aty an-trano, hoy i Noro sady nanipy ilay taratasy teny am-pofoan'i Tovo izy toy ny hoe miaro ny tanany tsy ho voasambotr'ity olon-tiany efa kivy ambony ihany.
Nosokafany tsy am-pisalasalana ilay taratasy hamakiany izay raketiny. Ny masony roa mihavonton-dranomaso tsikelikely anefa tsy nahavaky nisesy ity taratasy malamalama notsongaina amborahana fitia. Teny mitsitoko no vinakiny kisendrasendra. Be izay taona very izay... misy hoavy mamiratra ho antsika... raha mbola mitempo kely ho ahy... miandry valin-teny avy aminao... Nihodina taminy ny tany aman-danitra.

- Lehilahy tsy vanona, hoy i Tovo, mivakavaka fiteny. Lehilahy tsy vanona!
Izay dia nitambotsitra izy.

Lalasoa (Gothenburg, taona 2016)

  • Commentaires(0)//blaogy.lalasoa.se/#post97