...ho soratsoratra manainga fanahy

...ho soratsoratra manainga fanahy

Rehefa filoha aho, an'i DadaRabe

Fakafaka tononkaloPosté par Berïnson 2016-05-21 11:55

Efa ho iray volana katroka izao no nanoratan'i DadaRabe, Andriamanarivo Paoly Rabe, ny tononkalo "Rehefa filoha aho!". Io tononkalo io no omena toerana eto androany ka hofakafakaina sy hakàna lesona.

Rehefa filoha aho...

Tsy handoa ekôlazy
Izay te ho minisitra
Ary tsy ho garazin'
ireo mazàna gisitra
Ny asam-panjakana...
Fa ny olona madio
Sy tia ny tanàna
No hitondra an'io!

Rehefa filoha aho…

Dia an’ny Malagasy
Ny harenam-pirenena
Fa tsy ho voapasipasin’
Ny ratsy tia ràn-kena
Ho any amin’ny vahiny
Ny soa sy ny tantely!
Tsy ho tompony maniry
Intsony i Gasy kely!

Rehefa filoha aho…

Dia fomba malagasy
No hampanjakaina
Fa tsy ho voatasitasin’
Ny fanjanahan-tsaina
Sy randrana avy an-dafy…
Mpiteraka krizy
Sy loza be mifafy…
Ny lohan’ny ankizy!

Rehefa filoha aho…

Dia rariny sy hitsiny
No hezahina hanjaka,
Ny maramara pitsony
Tsy hatao mahazo laka!
Ary hankasitrahana
Izay miasa sy mazoto,
Mijoro amin’ny marina…
Fa tsy ny jiolahim-boto!

Rehefa filoha aho…

Dia i ZANAHARY
No hiahy ny tany,
Hambomba tsy hanary!
Handrotsaka ny mamy!
Ary hiaraka isika,
Hikolo sy hahavita
Ny nosindrazantsika!
Handroso sy ho tafita…

…I Madagasikara…

...Rehefa filoha aho !

DadaRabe
Ambato
22/04/16 21:18

Ny tononkalo dia miresaka momba izay hataony rehefa filoha izy: ny faniriany, ny fikasany na angamba aza ny voadiny. Eo amin’ny lohateniny ”rehefa filoha aho” fotsiny dia efa azon’ny mpamaky sahady fa hitanisa izay hitranga na izay hataony rehefa izany izy ity. Ahatsiarovako zanaka iray mivoady amin’ny tenany noho ny ratsy ataon’ny rainy ity tononkalo ity. Raha mpisotro toaka, mpamono vady aman-janaka, mpijangajanga ny rainy dia mivoady izy fa rehefa lehibe dia ho tia ny vadiny, hikolokolo ny zanany ary tsy hisotro toaka sy tsy hampirafy izany izy.

Eo am-pamakiana ny tononkalo dia tsapa sy fantatra ny zavatra irina sy ny zavatra ankahalaina sy tsy tiana hisy na hiainana. Fa ny ”maramara”, zavatra ratsy toy ny harem-pirenena atao ”pasipasy” dia tsy hisy intsony fa ny ”miasa sy mazoto, mijoro amin’ny marina” no ankasitrahana. Malahelo sy tezitra noho ny zava-misy ilay ”aho” ao amin’ny tononkalo ka manao drafitra izay hataony rehefa filoha izy.

Ny tononkalo dia voarafitra ho andininy 5 ka ny andininy tsirairay narafitra mitovy samy manana andalana 8 avy, miady rima ABABCDCD. ”Zanahary”, ”tany”, ”tsy hanary”, ”mamy”, ”isika”, ”hahavita”, nosindrazantsika” sy ”tafita, ohatra, no narafitra eo amin’ny andininy farany. Misy andalana iray miverimberina manelanelana ny andininy avy: ny hoe ”rehefa filoha aho”. Mandrindra sy manamora ny famakiana sy fahazoana ny hevitra tiana ambara ireo teny ireo miverimberina. Na dia mahery fo sy feno fanantenana aza ny tononkalo dia ahitana soritra na fahadisoam-panantenana sy hatezerana ao anatiny. Ohatra: ”tsy ho garazin’ireo mazàna gisitra ny asam-panjakana”; miseho eto, araka izany, ny fihetseham-po maratra arahin’ny fahatapahan-kevitra ho amin’ny tsara, ”fa ny olona madio sy tia ny tanàna no hitondra an’io!”

Ny …, teboka telo koa dia miverimberina efa ho inteloambinifolo eto. Ny teboka telo dia mariky ny fiatoana na ny zavatra maro tiana ambara saingy tsy ho voatanisa ka fintinina amin’ny teboka telo. Azo inona kokoa fa noho ireo fihetseham-po samihafa misafotofoto ireo no mahatonga izany na dia hoe misava ihany aza izany eo amin’ny faran’ny tononkalo.

Raha ny teny ampiasain’i DadaRabe indray dia teny mora azo sy fampiasa andavanandro. Ny ”ekôlazy”, ”garazy”, ”krizy”, ”pasipasy”, ohatra, dia teny nogasiana, nampiasaina hahazoana tsy amin’ny fomba sarotra ny tian’ny mpanoratra ampitaina. Ny ampitàna ny hafatra dia ”ny Malagasy” tompon’ny harena sy ”i Gasy kely” isam-batan’olona. Miharihary tahaka ny vay an-kandrina mantsy ny fahoriana lalina mahazo ny tanindrazana. Koa rehefa tsy nahomby ny fitondrana teo aloha nifanesy dia mandini-tena sy miova filamatra isika.

”Rehefa filoha aho!”. Tsy fantatra hoe iza ilay ”aho” ao anaty tononkalo. Mety ho i DadaRabe ihany. Mety ho olon-kafa koa. Raha i DadaRabe dia tsy mahagaga velively satria manana ny antony rehetra hahavitany manatanteraka ireo teny omena ao anaty tononkalo izy. Nanovo fianarana ambony momba ny fitondrana izy ary manana traikefa mafonja azo araraotina hananganana indray ny firenena. Satria miresaka ny fiainam-pirenena malagasy ny tononkalo dia azo inoana koa anefa fa mety tsy ho miresaka ny tenany i DadaRabe eto fa mamboraka ny fanirian’ny mpiray tanindrazana aminy hanana Madagasikara ”mandroso sy tafita”. Firifiry moa ny Malagasy mangetaheta fiovana sy fanadiovana tanteraka ny fitondrana ankehitrio voaloton’ny fitiavan-tena sy ny kolikoly? Firifiry no tofoka sy leo tanteraka ny mpitondra ka loa-bava koa hoe: Aok’izay!?



  • Commentaires(2)//blaogy.lalasoa.se/#post96