...ho soratsoratra manainga fanahy

...ho soratsoratra manainga fanahy

Tsy nahita

Hira sy mozikaPosté par Berïnson 2016-02-13 08:32
Hira iray nanana ny toerany teo amin'ny fiainan'ny tanora tamin'ny taona 90 ny hiran'i Poopy hoe Tsy hahita. Amin'ny feo malefaka nefa mahazo antoka ny fahamarinan'ny fiaikeny no ikaloany sy ihantsiany fa tsy misy tia ilay tiana toy ny fitiavany azy any ho any. Androany, efa dimy ambin'ny folo taona mahery aty aoriana, nanainga ny aingam-panahiko io hira io hamaly an-tonokalo sy hanamafy hoe Tsy nahita.

K'efa nahita izany ianao
Izay taona maro lasa izay?
Efa tsy nanadala anao aho
Fa hoe hahita any ianao
Olona iray hitia anao tahaka ahy
Mbola tia sy ho tia anao.

Ka nisy ve izany nahafoy
Toy izay nomeko anao?
Nisy ve nanambara
F'izy tsy ho leo anao,
Fa ny fitiavany anao
Naharesy ny ahy omaly?

Satria efa tsy nihazona anao aho
Dia izao mahita koa ianao:
Izaho irery no tena tia anao
Efa fantatro fa tsy hahita any ianao!
Ianao irery no tsy nanampo
Ny haben'ny foko tena tia anao!

Nafoiko ny amiko, nafoiko ny aiko
Raha nilaina ho anao.
Tena nanam-paharetana aho!
Izaho dia izaho irery no nahay,
Izaho irery no tena tia anao
Ary izao mizaka irery ireny nataonao!


Isaorana i Poopy noho ny hirany manohina fo sy saina! Hira tsy lany mamy!

  • Commentaires(1)//blaogy.lalasoa.se/#post95