...ho soratsoratra manainga fanahy

...ho soratsoratra manainga fanahy

Atataovy, an'i DOX

Fakafaka tononkaloPosté par Berïnson 2016-02-06 19:10

Tononkalon’i DOX na i Jean Verdi Salomon Razakandraina (1913-1978) indray no omena toerana manaraka: Atataovy. Tononkalo nalaina avy ao amin’ny Takelaka notsongaina I, pejy 26.

”Sonnet” mirafitra ho andininy 4 manana andalana 14 ny tononkalo ka ny andininy roa voalohany samy manana andalana efatra avy ary ny andininy roa farany samy manana andalana telo avy. Toy ny ”sonnet” rehetra dia mifono eritreritra lalina sy mahaliana ny andininy telo voalohany ary narafitra hiafara amin’ny andalana telo farany izay mamosaka ny hevitra lalina indrindran’ny tononkalo.

Miady rima AABB CCDD EEF GGF ny tononkalo ary ny andininy tsirairay dia samy miantomboka amin’ny fehezan-teny mitovy: ”Atataovy aho, ray olona”. Ny hoe ”atatao” dia teny fampiasa rehefa hampakatra entana mavesatra hankeo an-tsoroka ny tena na rehefa hiloloha zavatra. Raha mavesatra matetika ny entana holanjaina eo an-tsoroka dia sarotra ny hampakatra irery ny entana amin’ny tena raha tsy misy olona iray manampy manohana ny entana tsy hianjera na hiraraka amin’ny tany.

Noho izany, olona miantso vonjy sy mila fanampiana, angamba eo amorom-pantsakana iray no asongadin’ny tononkalo. Sahirana irery izy ka miantso olona hitatao azy. Ankoatra ny lalana malama, ny hetahetany sy ilay siny tokana hany ananany dia sahirana indrindra izy noho ilay ‘havany’ izay angamba koa niara-nantsaka taminy teo ihany saingy efa nialoha azy ka tiany hotratrarina. “Atataovy aho, ray olona”, hoy ny antsony miverimberina. Izay no vahaolana heveriny fa haingana sy mahomby. Fanampiana ivelan’ny tenany sy ivelan’ilay tiany izay toa tsy mahazo an’eritreritra akory ny fahasahiranany.

Sarinteny vitsivitsy no ampiasain’i DOX hampitana izany rehetra izany amin’ny fomba kanto. Sarinteny efatra, iray isaky andininy avy no singanina hofakafakaina fohy hanazavana ny ohatra entin’ny mpanoratra hilazana ny zava-manahirana ilay ‘izaho’ ao anaty tononkalo.

Ny tany eny am-pantsakana matetika dia vonton-drano noho ny rano afindrafindra siny. Saingy teto toa rano nitroatra noho ny nanandramany nitatao irery ny siny no nanakotsa azy mampalahelo sy nahavonto ny tany diaviny ka tsy misy hamikirany akory. Ny lalana malama àry dia mampiseho ny sarotra hodiavina satria na tsy hikorisa hianjera eo aza ny tena dia ho sahirankirana ihany mandeha.

Araka ny azontsika an-tsaina dia manondro ny fitiavana ny rano. Eo amin’ny andininy faharoa dia “nisahiranany” toy ny nakàna ilay rano iray siny ilay fitia antenainy hahafaka “hetaheta”.

Noho izany indrindra no ilàny olona hitatao azy. “Tokana ’ty siny ity”, hoy izy. Tokana ny fo. Ny fo izay itoeran’ny fitiavana. Tsy ny fo tokana ho rotika tsy misy hitondrana ny fitiavana ihany anefa no mampanahy azy fa ilay malalany antsoiny koa hoe “havana” eo amin’ny andininy fahaefatra farany.

“He ‘ty elanelanay!”, hoy izy, lany fanahy. Ny elanelana dia mampiseho fifanalavirana. Izy, mbola tavela eo am-pantsakana tsy mbola mahatatao akory ny sininy, nefa ilay tiany efa ery an-kodimirana efa ho dila tsy ho tazan’ny masony intsony. Raha elanelana ara-bakiteny aza sahirana izy vao hahatratra azy, mainka fa raha elanelana an-tsary? Fahasamihafana isan-karazany tokoa mantsy no tsy maharaikitra ny fitiavana: toy ny tsy fitovian-tsaranga, na ny tsy fitoviam-pirazanana, ohatra.
Iza moa no mahalala raha efa nahatsapa ilay “elanelana” koa ilay tiany ka naleony niala teo mialoha hamela any aoriana izay karazam-pahasahiranana entin’ny fitiavana tsy anjara?



  • Commentaires(1)//blaogy.lalasoa.se/#post94