...ho soratsoratra manainga fanahy

...ho soratsoratra manainga fanahy

Tsy misy, an'i Rado

Fakafaka tononkaloPosté par Berïnson 2014-08-23 08:20

“Ady ny fiainana!” hoy ny fiteny fandre matetika. Misy foana ny olana ary samy manana ny anjara tandrify azy eny ny tsirairay. Tsy ho voatanisa ary tsy ho tanisaintsika koa satria tsy ny hitoetra amin’ny olana fa ny hihoaharana sy ny hamahana azy no zava-kendrentsika. Na inona na inona zava-mafy mianjady aminao, ity tononkalo nosoratan’i Rado na Andriamanantena George hofakafakaintsika ity no tano mafy hanome hery vao hiatrehana ny ady sarotry ny fiainana.

Olona iray mahatsapa ny hasarotan’ny lalam-piainana no mifanena amintsika mpamaky. Olona iray tapa-kevitra fa na inona na inona hasiaky ny fiainana dia tsy maintsy hivoaka mpandresy izy. Io olona iray io no manasongadina ny hafatra lehibe avoitr’i Rado ao anaty tononkalo: tsy misy olana mafy maharitra mandrakizay ka ilaina ny fiaretana sy ny finoana.

Andininy telo manana andalana 4 avy no mandrafitra ny tononkalo ary samy miady rima, rima mifaningotra ny andalana tsirairay. Mirakitra teny sarotra vitsivitsy ny tononkalo saingy tsy sakana tsy ahazoana ny tian’ny mpanoratra ambara akory izany. Ny andinin’ny voalohan’ny tononkalo dia milaza fa manao hosivoanjo ny sedra. Ny teny hoe ‘hosivoanjo’, ohatra, dia sary entina ilazàna ny fahapotehana sy voka-dratsy tsy misy indrafo ateraky ny sedran’ny fiainana. Ny hoe ‘malia’, teny entina amaritana ny fiainana, dia midika hoe marefo na mora simba. Mora rava ny aina. Eo amin’ny andininy faharoa dia tsindrian’ny mpanoratra fa ny herisetran’ny fiainana dia “masiaka fifioka” toy ny rivo-doza ka mifofofofo mafy tsy mijanona. Iza tokoa moa no mahajanona ny fahafatesana, ohatra? Diniho fa oharina amin’ny ‘havandra’ ny fahafatesana eo amin’ny andinin’ny fahatelo. Loza mampijaly ny zanak’olombelona ary mampitondra takaitra am-po manolatra mandrakizay ny fahafatesana. Toy ny havandra milatsaka tampoka sy mitoraka maharary izay voany ny fahafatesana.

Iza àry no hahatohitra ny jalin’ny famoizana olon-tiana? Iza no mahajoro anaty rivo-mahery mifioka sy mifaoka izay tandrify azy? Ahoana no andresena tsy ho torotoron’ny sedra tsy miantran’ny fiainana? Ny tononkalo ihany no efa mibitsika amintsika ny valin’izany. “Iaretako ireny”, hoy Rado, satria mandalo ireny ary manam-petra ihany. Izay no finoany: tsy misy havandra mijanona ho vato. Toa an-dRado, na efa maty aza izy, dia mitohy hatrany ny kalom-balihany ary ny tonokalony dia mbola manohy mampitraka antsika sy mampijoro antsika hiady amin’ny sedra sy hetraketraky ny fiainana.

Koa raha ”mbola misy kalo azonao hiraina”, aoka tsy himalo, aoka tsy hihemotra!



  • Commentaires(0)//blaogy.lalasoa.se/#post85