...ho soratsoratra manainga fanahy

...ho soratsoratra manainga fanahy

Tsaroana ny maty

AnkapobenyPosté par Berïnson 2016-11-01 10:01
Araka ny tantaram-pivavahana katolika, ny 01 novambra dia andro nahatsiarovana ny olo-masina nodimandry efa any an-danitra. Ny ampitso, ny 02 novambra no niangona indray ry zareo hivavaka ho an'ny fanahin'ireo maty tsy mbola tafakatra any an-danitra. Saingy raikitra ho fetin'ny maty ny 01 novambra. Ao ny mamangy fasana, ao ny mamonjy fotoam-pivavahana, ao ny mahatsiaro ny havana na tapaka sy namana efa maty sy manokana minitra ho fahatsiarovana azy ireny.

Marina fa tsy voatery ho ny 01 novambra ihany vao mahatsiaro ny efa lasa nodimandry isika. Isaky ny lasalasa ny eritreritro mandinika ny fikororosiana tanteraka mahazo an'i Madagasikara dia miverina mitambolona any amin'ny taona 1975 foana ny saiko. Taona nanoloran'ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel ny Kôlônely Ratsimandrava Richard ny fahefana feno hitondra ny Tany sy ny Fanjakana, ho Filoham-panjakana sady Lehiben'ny Governemanta, Minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny Teti-pivoarana. Enina andro taorian'izay monja dia maty notifirina izy sy ny Mpiambina azy roalahy.

Minisitry ny "ala olana" no niantsoan'ny fokonolona ny Kôlônely Ratsimandrava taona vitsy talohan'ny nanolorana azy ny fitondrana sy ny nanekeny am-panetren-tena hoe: "Tsy hiamboho adidy aho, Mon Général". Izy mantsy no nivoy sy nanentana ny vahoaka momba ny Fokonolona. Nahazo namosa-kevitra an-kalalahana sy am-pilaminana tamin'ny Radio Madagasikara ny vahoaka malagasy manerana ny Nosy nifanakalo hevitra mivantana. Tsy mba nanavakavaka izy fa nandray am-pifaliana izay rehetra te-hifanakalo hevitra aminy momba ny Fiandrianam-pirenena. Ny fenitra nijoroan'ny Kôlônely Ratsimandrava hitondrana ny Tany sy Fanjakana dia ny "fanahy no maha-olona", fenitra miorim-paka amin'ny Fokonolona.

Nitety an'i Madagasikara ny Kôlônely Ratsimandrava hanatonana mivantana ny vahoaka Malagasy hanazavany ireo rafitra mifehy sy ifampifehezana natsangany. Tamin'izany dia efa fantany fa nisy ny olona nanao resaka ambadika hanapotehana io rafitra io na dia eo aza ny famelany ny varavaran'ny fifampiresahana hisokatra lalandava. Saingy nanoro hevitra sy nampisaina ny Fokonolona izy.

"Raha hanangana ny Fokonolona izao isika, dia hovantsika izany fandehan-javatra izany. Ny fomba hoentintsika dia toa izao: ireo olona hofidiana, dia hofidinareo tsirairay. Ka ianareo no hitsara araka ny fahalalanareo azy. Ny Governemanta tsy hanery anareo. Ary eo ireo manam-pahefana rehetra ireo, tsy hoterena ireo, tsy hisy hahazo baiko hoe tsy maintsy handany an-dRanona na Ranona, fa halalaka tanteraka ny safidy. Fa anjaranareo ny mikaroka ao anatin'ny Fokontany izay misy anareo ny hoe iza no olo-marina eto? iza no olona azo antoka? iza no azo ianteherana? na ho mafy na ho sarotra ny raharaha. Fa tsy ilay olona izay hanararaotra, hieritreritra ny hameno ny paosiny aloha, hanao izay fitapitaka rehetra izao; fa izay olona hitanareo kosa fa marina, mandeha amin'ny hitsiny lalandava, izany no hofidinareo. Ary iny olona iny, matetika aza, tsy mba hirehareha, satria tsy mba mahazatra antsika Malagasy loatra ity fampielezan-kevitra ity. Samy midera tena eo daholo: "tsy fantatrareo fa izaho no Ra-Anona, ianareo ireo tsy misy mitovy amiko, tsy misy mahay noho izaho ianareo, fa izaho ihany no hahavita ity raharaha ity!!" Tsy raha fomba teto amintsika Malagasy izany. Ary nandritra ny 70 taona izay, be dia be ireo olona izay azo heverina fa olomangam-pirenena, tsy mba nandroso teny, tsy mba nahazo toerana, satria tsy tiany izany hoe midoka tena izany. Ireny no tokony hotadiavinareo hitondra amin'izao fotoana izao fa be loatra ny zavatra izay manahirana antsika. Ka raha toa ka amin'izao fotoana izao indray isika no mbola ho voafitaka, mbola ho diso lalana indray dia tsy fantatra hoe inona no zavatra hihatra amin'ity firenentsika ity!"

Toy izany ny kabary nataon'ny Kôlônely Ratsimandrava tao Anjiro Moramanga rehefa nanao antso avo izy mba hiray hina, hiara-hiasa sy hifanampy ny isam-batan'olona ao amin'ny Fokontany. Toy izao no namaranany io lahateniny io: "Fa raha ohatra ka tsy misy ny firaisankina, tsy misy ny fiaraha-miasa, dia tsy misy akory ny tena hoe fahafahana. Ny fahaleovantena na ny fahafahana dia zavatra mora raisina, sady zavatra mora miporitsaka sy very koa. Anjarantsika amin'izao fotoana izao, tompokolahy sy tompokovavy, no mitana azy ary tsy mamela azy intsony. Misaotra tompoko".

Saingy maty ny Kôlônely Ratsimandrava. Maty niaraka tamin'izay ny herin'ny Fokonolona. Niporitsaka sy very ilay fahaleovantena sy ilay fahafahana. 40 taona mahery aty aorian'ny nahafatesany dia mbola kofehy manara-panjaitra foana ny vahoaka malagasy. 40 taona mahery aty aorian'ny namonoana azy dia mbola faty entina foana isika.


- Loharano: Ny fokonolona araka ireo kabary nataon'ny Kôlônely Richard Ratsimandrava eran'ny Nosy 1973-1975



  • Commentaires(0)//blaogy.lalasoa.se/#post101