...ho soratsoratra manainga fanahy

...ho soratsoratra manainga fanahy

Tapi-dalan-kaleha toa sokina nanani-bato

Tantara mandaloPosté par Berïnson 2017-03-11 11:40
Misy fetrany ny zavatra rehetra. Lalan'ny fiainana koa ny fiafarana. Misy toe-javatra tsy ahafahana manoatra sy ahatsapan-tena toa "sokina nanani-bato sy tapi-dalan-kaleha". N'inon'inona antony nahatonga izany dia zavatra roa ihany no ho azo asetrin'ny mahita: na fitserana avy amin'ny fo na latsa sy akora avy amin'ny fo koa.

Henoy tokoa anie ny tantara nahatonga io oha-pitenenana io e:

Indray andro, hono, sendra nilalao teo am-body vato ny sokina sy ny voalavo, dia nananatra azy ny voalavo hoe:
- Hitako ianao, rasokina, fa zanak'anadahin'ineny, ka tsy misorona aminao aho, fa milaza ny marina: Ery ambony hazo ery misy hanim-py.
- Efa fantatro ela ihany izany, lehiroa, kanefa anjaran'ny vorona ny eny, ka matahotra ny ho eny aho.
- Aza matahotra foana, fa raha tamy ny vorona, dia mitsambikìna faingana.
Saingy natahotra loatra ny sokina ka naleony nijanona amin'izao.

Indray andro, rehefa tafahaona indray izy roalahy dia nanasa azy hitsangatsangana eny ambony vatolampy ny voalavo. Nafana nigaigaina ny andro ka tsy afaka intsony rasokina ary maty teny. Sady nihinana azy, hono, ny voalavo no nanaraby hoe: "Soki-nanani-bato ka tapi-dalan-kaleha e!".

  • Commentaires(0)//blaogy.lalasoa.se/#post102

Tsaroana ny maty

AnkapobenyPosté par Berïnson 2016-11-01 10:01
Araka ny tantaram-pivavahana katolika, ny 01 novambra dia andro nahatsiarovana ny olo-masina nodimandry efa any an-danitra. Ny ampitso, ny 02 novambra no niangona indray ry zareo hivavaka ho an'ny fanahin'ireo maty tsy mbola tafakatra any an-danitra. Saingy raikitra ho fetin'ny maty ny 01 novambra. Ao ny mamangy fasana, ao ny mamonjy fotoam-pivavahana, ao ny mahatsiaro ny havana na tapaka sy namana efa maty sy manokana minitra ho fahatsiarovana azy ireny.

Marina fa tsy voatery ho ny 01 novambra ihany vao mahatsiaro ny efa lasa nodimandry isika. Isaky ny lasalasa ny eritreritro mandinika ny fikororosiana tanteraka mahazo an'i Madagasikara dia miverina mitambolona any amin'ny taona 1975 foana ny saiko. Taona nanoloran'ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel ny Kôlônely Ratsimandrava Richard ny fahefana feno hitondra ny Tany sy ny Fanjakana, ho Filoham-panjakana sady Lehiben'ny Governemanta, Minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny Teti-pivoarana. Enina andro taorian'izay monja dia maty notifirina izy sy ny Mpiambina azy roalahy.

Minisitry ny "ala olana" no niantsoan'ny fokonolona ny Kôlônely Ratsimandrava taona vitsy talohan'ny nanolorana azy ny fitondrana sy ny nanekeny am-panetren-tena hoe: "Tsy hiamboho adidy aho, Mon Général". Izy mantsy no nivoy sy nanentana ny vahoaka momba ny Fokonolona. Nahazo namosa-kevitra an-kalalahana sy am-pilaminana tamin'ny Radio Madagasikara ny vahoaka malagasy manerana ny Nosy nifanakalo hevitra mivantana. Tsy mba nanavakavaka izy fa nandray am-pifaliana izay rehetra te-hifanakalo hevitra aminy momba ny Fiandrianam-pirenena. Ny fenitra nijoroan'ny Kôlônely Ratsimandrava hitondrana ny Tany sy Fanjakana dia ny "fanahy no maha-olona", fenitra miorim-paka amin'ny Fokonolona.

Nitety an'i Madagasikara ny Kôlônely Ratsimandrava hanatonana mivantana ny vahoaka Malagasy hanazavany ireo rafitra mifehy sy ifampifehezana natsangany. Tamin'izany dia efa fantany fa nisy ny olona nanao resaka ambadika hanapotehana io rafitra io na dia eo aza ny famelany ny varavaran'ny fifampiresahana hisokatra lalandava. Saingy nanoro hevitra sy nampisaina ny Fokonolona izy.

"Raha hanangana ny Fokonolona izao isika, dia hovantsika izany fandehan-javatra izany. Ny fomba hoentintsika dia toa izao: ireo olona hofidiana, dia hofidinareo tsirairay. Ka ianareo no hitsara araka ny fahalalanareo azy. Ny Governemanta tsy hanery anareo. Ary eo ireo manam-pahefana rehetra ireo, tsy hoterena ireo, tsy hisy hahazo baiko hoe tsy maintsy handany an-dRanona na Ranona, fa halalaka tanteraka ny safidy. Fa anjaranareo ny mikaroka ao anatin'ny Fokontany izay misy anareo ny hoe iza no olo-marina eto? iza no olona azo antoka? iza no azo ianteherana? na ho mafy na ho sarotra ny raharaha. Fa tsy ilay olona izay hanararaotra, hieritreritra ny hameno ny paosiny aloha, hanao izay fitapitaka rehetra izao; fa izay olona hitanareo kosa fa marina, mandeha amin'ny hitsiny lalandava, izany no hofidinareo. Ary iny olona iny, matetika aza, tsy mba hirehareha, satria tsy mba mahazatra antsika Malagasy loatra ity fampielezan-kevitra ity. Samy midera tena eo daholo: "tsy fantatrareo fa izaho no Ra-Anona, ianareo ireo tsy misy mitovy amiko, tsy misy mahay noho izaho ianareo, fa izaho ihany no hahavita ity raharaha ity!!" Tsy raha fomba teto amintsika Malagasy izany. Ary nandritra ny 70 taona izay, be dia be ireo olona izay azo heverina fa olomangam-pirenena, tsy mba nandroso teny, tsy mba nahazo toerana, satria tsy tiany izany hoe midoka tena izany. Ireny no tokony hotadiavinareo hitondra amin'izao fotoana izao fa be loatra ny zavatra izay manahirana antsika. Ka raha toa ka amin'izao fotoana izao indray isika no mbola ho voafitaka, mbola ho diso lalana indray dia tsy fantatra hoe inona no zavatra hihatra amin'ity firenentsika ity!"

Toy izany ny kabary nataon'ny Kôlônely Ratsimandrava tao Anjiro Moramanga rehefa nanao antso avo izy mba hiray hina, hiara-hiasa sy hifanampy ny isam-batan'olona ao amin'ny Fokontany. Toy izao no namaranany io lahateniny io: "Fa raha ohatra ka tsy misy ny firaisankina, tsy misy ny fiaraha-miasa, dia tsy misy akory ny tena hoe fahafahana. Ny fahaleovantena na ny fahafahana dia zavatra mora raisina, sady zavatra mora miporitsaka sy very koa. Anjarantsika amin'izao fotoana izao, tompokolahy sy tompokovavy, no mitana azy ary tsy mamela azy intsony. Misaotra tompoko".

Saingy maty ny Kôlônely Ratsimandrava. Maty niaraka tamin'izay ny herin'ny Fokonolona. Niporitsaka sy very ilay fahaleovantena sy ilay fahafahana. 40 taona mahery aty aorian'ny nahafatesany dia mbola kofehy manara-panjaitra foana ny vahoaka malagasy. 40 taona mahery aty aorian'ny namonoana azy dia mbola faty entina foana isika.


- Loharano: Ny fokonolona araka ireo kabary nataon'ny Kôlônely Richard Ratsimandrava eran'ny Nosy 1973-1975



  • Commentaires(0)//blaogy.lalasoa.se/#post101

Eritreritra

Tantara mandaloPosté par Berïnson 2016-08-13 10:10
Enjehin'ny eritreritra hatramin'ny blaogiko ity. Mangingina tsy misy ambara izy tato ho ato. Manao tsidim-pahitra ny mpanoratsoratra. Variana. Miandrandra ny taona ho avy 2017, 2018, 2019... Mitodika ny taona lasa 2014, 2013, 2012... ary tonga any amin'ny taona 1984. Taona nifaliana ery isaky ny hitantaran'i Dada na i Mama angano. Ny anganon'Ifaramalemy sy Ikotobekibo no tiako indrindra tamin'izany ka na naverina notantaraina tamiko in-jato kely aza finaritra foana aho nihaino. Indray andro, hono,...

Indray andro, hono, nisy mpivady nanan-janaka folo ka ny faralahy sy ny faravavy sampona avokoa: ilay lahy, be kibo ary ilay vavy, malemy. Noho izany, no niantsoan-dray aman-dreniny azy ho Ikotobekibo sy Ifaramalemy. Nitombo andro aman'alina, hono, ny tsy fitiavan-dray aman-dreniny azy satria Ikoto be kibo mitsinatsinaka, kanefa tsy mahavadi-bainga akory ary Ifara malemy ka tsy mba mahavita na dia tohy rofia iray singotra akory aza.

Nitombo ny fankahalan-dray aman-dreniny an'i Ikoto sy Ifara ka nanan-tsain-dratsy handevim-belona azy mianadahy izy ary nanomboka nihady lavaka.
- Hatao inona moa io lavaka nohadinareo io, ry Dada sy Neny?
- Hanotrehantsika akondro, anaka.
- Ka aiza anefa izay akondro haotrika ao?
- Mbola hividy isika, anaka.

Soa ihany anefa fa fantatr'ireo zokiny ny eritreritr'izy mivady ka nambaran'izy ireo an'Ikoto sy Ifara ny marina.
- Aoka àry izahay handositra rehefa alina ny andro, hoy izy mianadahy.
- Mety izany, fa efa hahafoy anareo tokoa i Dada sy i Neny. Mandehàna mandositra fa izahay hitsiritsirika anareo eny ihany rehefa tsy hitany.

Vao nipaika ny alina dia lasa nandositra tokoa izy mianadahy ka Ikoto nandadilady noho ny havesatry ny kibony ary Ifara nikolepalepaka noho ny halemeny. Nony nitomany noho ny harerahana sy ny alahelo Ikoto dia nanolo-tena hibaby azy Ifara na nalemy azy. Dia nikotrifatrifa sy nikisaka teny Ifara ka nahatafita tanety maromaro telo andro taty aoriana ary nanorim-ponenana teo amin'ny nijanonany.

Fako sy rantsan-kazo nolaroina bainga no nanaovany ny trano bongony ary samy nanomboka nihaza ny manodidina azy izy mianadahy hatao sakafo. Noho ny fitiavany hanina anefa dia nanjary tsy tia nizara tamin'Ifara intsony Ikoto ka isa-maraina dia nandrara an'Ifara tsy haka haza ao ambany atsimo, sy ao ambany atsinanana ary ao ambany avaratra izy.
- Eny, raha rarànao tsy hakako ireo dia atsy ambany andrefana aho no haka.

Betsaka kokoa ny haza azon'Itrimo, noho izany, ka isaky ny hihinana izy ka tsy tiany ho hitan'Ifara izay azony dia asainy atsangana ny efitra. Nony lany ny haza dia esorina indray ny efitra. Dia toy izany foana. Lany tsy nisy hosamborina intsony àry ny haza tao ambany andrefana ka voatery handeha lavidavitra Ifara hitady haza.

Indray andro, tonga tsy nahy tao an-tranon'Itrimobe izy. Rehefa nitsirika izy ka nahita fa tsy nisy olona tao dia naka izay zakany Ifara nentiny nody. Nafeniny an'Ikoto anefa izay azony tany.
- Fa taiza kosa Ifara no naharitra ela be tany?, hoy Ikoto nony tonga izy.
- Lavitra no nihazàko satria tsy mba avelanao hihazàko tsinona atsy ambany avaratra, sy atsy ambany atsinanana ary atsy ambany atsimo.
Nony masaka ny sakafon'Ikoto dia te-hihinan-drery indray izy.
- Atsangano ny efitra, ry Ifara!, hoy izy sady natsangany tokoa.

Dia mba nihinana izay azony tany amin'ny tranon'Itrimobe koa Ifara. Namakiany ny vary amin-dronono nentiny ka natsipiny tao amin'ny efitry ny anadahiny.
- O ry Ifara e, notsipazan'Andriamanitra vary amin-dronono aho e!
Tsy namaly Ifara fa nosokafany ny tantely hanenika ny trano ny fofony. Tsy naharitra Ikoto ka noravany ny efitra.
- Fa taiza ianao no nahita itony?, hoy izy nanontany ny anabaviny.

Tsy naharitra Ifara ka rehefa notantarainy an'Ikoto ny trano nisy an'Itrimobe dia samy nanapa-kevitra ny ho any izy mianadahy haka izay zakany avy. Loza anefa fa nibosesika nihinana avy hatrany Ikoto ka lasa voky be tsy afa-nihetsika. Hany herin'Ifara, nataony tao an-toeram-bary ny anadahiny ka nomeny azy daholo izay zava-maranitra rehetra tao an-tranon'Itrimobe ary nofonosiny tsihy vitrana ny anadahiny.
- Rehefa miditra Itrimobe dia aza mihetsika akory ianao. Ary raha manontany izy hoe: Asehoy hoe izay nifin'ialahy, dia ampandihizo ho hitany ny lefona. Ary raha manontany izy hoe: Asehoy hoe izay lelan'ialahy, dia aposahy azy ny antsibe. Ary raha manontany izy hoe: Asehoy hoe izay rambon'ialahy, dia asehoy azy ny fanantana. Ary raha vao manatona anao izy dia tombohy ny lefona ary jinjao ny antsibe.
Dia lasa Ifara nody.

Rehefa afaka kelikely, tonga tokoa Itrimobe.
- Maimbo olombelona, maimbo olombelona, hoy izy vao niditra ny varavarana.
- Asehoy hoe izay nifin'ialahy, hoy Itrimobe ka nampandihizin'Ikoto ho hitany ny lefona.
- Asehoy hoe izay lelan'ialahy, hoy Itrimobe ka naposany ny antsibe.
- Asehoy hoe izay rambon'ialahy, hoy Itrimobe ka nasehony ny fanantana.
Nisafoaky ny hatezerana Itrimobe ka romotra nanatona. Tamin'izay indrindra anefa no natombok'Ikoto azy ny lefona ka nojinjainy tamin'ny antsibe Itrimobe izay nitsitra tamin'ny tany nony farany.

Rehefa tonga Ifara ny ampitso dia nahita ny zavatra rehetra ary novain'izy mianadahy ho fonenany ny tranon'Itrimobe. Nanjary nanan-karem-be izy mianadahy ka na ny ray aman-dreniny aza tonga nitady azy sy nanambitamby azy indray.

Angano angano, arira arira. Izaho mitantara, ianareo mamaky.

  • Commentaires(0)//blaogy.lalasoa.se/#post100

Hatraiza

Tantara mandaloPosté par Berïnson 2016-07-30 12:22


  • Commentaires(0)//blaogy.lalasoa.se/#post99

Fitia

Tantara mandaloPosté par Berïnson 2016-06-11 09:57
Mpanakanto maro no mihira sy mikalo, miantsa sy mivazo karazana fitia: ny fitia manalasala, ny fitia tsiambaratelo, ny fitia an-tsokosoko, ny fitia somongamonga, ny fitia adaladala, ny fitia nangalarina, ny fitia nindramina, ny fitia miserana, ny fitia masiaka, ny fitia nivakinina, ny fitia taralila, ny fitia voarara, ny fitia zisitoara sy ny hafa maro tsy ho voatanisa voatahiry any anaty fahatsiarovana mangina any.

Ity androany ity fitia tsy tandritandry:



  • Commentaires(0)//blaogy.lalasoa.se/#post98
« PrécédentSuivant »