...ho soratsoratra manainga fanahy

Fianarana no lova tsy mety simbaAnkapobeny

Posté par Berïnson 2018-08-01 15:14

Raha manokatra ny pejin'ny moov madagasikara momba ny fanabeazana ianao amin'izao isika miresaka izao dia hahita ireto sarim-baovao ireto mifandimby ao.

Blog image
Tsy mila mamaky ny votoatiny akory ianao fa ny sary sy lohatenim-baovao dia miteny ho azy. Ny sary voalohany mampiseho lakilasy malagasy misy fanaka efa zary kaokan'ny taona maro ary ny sary faharoa miresaka ny fahazoana vola 55 tapitrisa dôlara ho an'ny fanabeazana malagasy. Firy isan-jaton'ireo vola ireo re no hitondra vokatra mivaingana ho an'ny mpianatra malagasy e?

Raha miandry ahy ilay malalakoTantara mandalo

Posté par Berïnson 2018-06-28 10:14

Rehefa potika tsy misy antenaina ny taloha, foana sy poakaty ny anio noheverina hamiratra, moana tsy manan-kandrandraina ny ho avy dia toa zava-poana ihany ny fiainana. Soa anefa fa mahay manavo-tena ny saina ka mamorona nofinofy manjopiaka kelin'ny angamba sy nahoana moa?, mandrotsy fitia diso fiantefa maniry ny lafatra indrindra, ny soa ho an'ny hafa, ny hiandrasan'i malala…

Raha miandry ahy ilay malalako

Aleo hanenjika sy handatsa ny efa lasa,

Aleo hampifendro mafy hampitomany,

Aleo hanaram-po hanala ny hadalany,

Raha toa ianao mikasa,

Raha toa izy mikasa,

Raha mba miandry koa ilay tiako.

Tsy ahoako ny ratra navelan’ny omaly,

Tsy ahiako ny androany feno fahalemena,

Tsy hatahorako ny ampitso tsy mampanantena,

Raha toa ianao mifaly,

Raha toa izy mifaly,

Raha mba miandry koa ilay tiako.

Hovetsoiko irony kalon’ny fitia vao mitsiry,

Hokaloiko irony hiran’ny vetso ho doria,

Hoventesiko ny dinan’ny fo mifangia,

Raha toa ianao maniry,

Raha toa izy maniry,

Raha mba miandry ahy koa ilay tiako.

Ilay redirediko…

Ilay fibedibediko…

Ilay hany nofidiako…


Lalasoa
28 jona 2018


Penina, an'i Toetra RàjaFakafaka tononkalo

Posté par Berïnson 2018-05-06 10:01

PENINA

Na hisaona
Aho rahavako,
Ho moana
Koa ny vavako,
Ary ho osa
Ny famindra…
Mbola hisosa-
Sosa indrindra
Izato penina
Ilazany
Ireo afenina
Eto an-tany.

Toetra Ràja
05 novambra 2013

Endrey izany hakanton’ny tononkalo izay hofakafakaintsika androany, tononkalon’i Toetra Ràja, poeta miangaly ny rafitra “teny fohy isan’an-dalana”.

Ny tononkalo dia miresaka ny fahatapahan-kevitra hanambara ny ao am-po sy ny ao an-tsaina. Eny, na ny miafina indrindra tsy ho voaresaky ny molotra aza, dia azo antoka fa haboraky ny “penina” eny ihany. Asehony fa tsy misy hanakana azy tsy hanoratra, na fisaonana, na hamoanana, na fahosana sns sns. Rehefa mavesatra sy mafonja tokoa ny mihatra amin’ny tena ara-batana, izany dia mety ho sakana lehibe tsy hampi-te-hiloa-bava akory.

Miady rima ababcdcdefef ny tononkalo ary ny andininy tokana nandrafetana azy dia tsotra sy mazava, tsy be safary sy mivantana amin’izay hiantefany, “rahavako”. Ny olona antsoina hoe “rahavako” dia olona akaiky ny tena, olona mora amborahana ny ao anaty. Koa na eo aza ny antony maro mety hanakana ny molotra tsy hiloaka, dia hahita fomba hafa hamoahana izay miafina sy “afenina” foana ny tena. Noho ny antony iray na hafa, na noho “rahavako” ihany aza, dia hikorisa ny "penina", hakorisa, hasosa hilaza izay tokony hambara.

Tsy milaza toerana sy fotoana nitrangan’ny resaka ny tononkalo. Izany dia mahatonga ity tononkalo ity handaitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra, n’aiza n’aiza ary na rahoviana na rahoviana ahatsapana tohitra tsy ahafahana milaza ny ao am-po mangina. Ny “penina” no ho vava miteny sy mibitsika ny lalina indrindra tsy vita hotovozina. Ny “penina” no tsy hihambahamba hisosa rehefa tsy afaka mamindra intsony.

Ny fanontaniana manitikitika ny saiko ihany eto am-pamaranana dia ny hoe: inona àry ny hafatra tian’ny mpanoratra ambara amin’ny alalan’ny tononkalo? Azo raisina hoe manome toky izy, nefa azo adika koa hoe mampitandrina. Na ahoana na ahoana, noporofoin’ny mpanoratra tokoa fa nisosa ny penina ary nahasoratra boky mihitsy aza. Efa anananao ve ny bokin’i Toetra Ràja Tiako, tiako foana? Ny fitiavana manoratra tokoa no misesika mahatohitra izay mety ho sakana rehetra.



Ampitahao...Ankapobeny

Posté par Berïnson 2017-10-28 09:12

Inona ny zava-manahirana, inona ny olana mitambesatra, inona ny fahoriana, inona ny hazo fijaliana mavesatra indrindra tsy zaka holanjaina sy mampamoy fo? Tsy fahombiazana amin'ny fiainana? Fahantrana? Asa very? Harena rava? Olon-tiana mandratra? Aretina? Fahafatesana? Lazao dia ampitahao...

Resahina matetika fa rehefa tojo olana saro-bahana ny tena dia mahasoa ny mandre ny fahorian'ny hafa, mahasoa ny mahalala fa misy ratsy kokoa noho ny toe-javatra misy ny tena androany. Manampy anao tsy hifantoka amin'ny olanao sy ny fijalianao ara-batana, ara-tsaina na ara-panahy izany. Sady marina izany! Misy miaina fahoriana ratsy lavitra noho ny misy anao.

Tsy mba ory olona nampitahaina fahoriana tamiko aho, fony zaza ka hatramin'izao. Anisan'ireny olona ireny i Bebe Rasoamananoro. Kamboty mbola kely izy, niady irery ny fiainany, narian'ny fianakaviany rehefa tojo ny vady tiany, maty ny zanany voalohany, maty koa ny vadiny, nikarama irery namelon-tena tany an-drenivohitra, haizin-kitroka sy tahotra no nibabeny irery ny fatin'ny zanany faharoa halevina 20 km avy eo, noraisin'ny fianakaviany ihany izy rehefa nifona hiverina saingy tsy ela dia maty koa ny zanany kely fahatelo.

Nisafidy ny hiteraka tsy manambady izy avy eo ary namelona irery ny zanany izay nanambady aman-janaka koa taty aoriana. Fiainana sy fahoriana aman-taona maro fintinina anaty soratsoratra vitsivitsy nefa mandrotika fo isaky ny tantaraina. Tsy sahy hampidera ny antsoiko ho hazo fijaliako aho isaky ny misaina ny ziogam-pahoriana nentiny. Marina tokoa fa misy mijaly mafy lavitra noho ny tena any ho any, henoy dia ampitahao... misy hery anohizana ny adim-piainana.

Blog image

Fahendrena anisan'ny napetrak'i Bebe Rasoa ny hoe Mangìna. Na ory ianao, na manana, dia mangìna! Na faly, na tezitra, dia mangìna. Tsy ny fihorakorakao ny fandresenao na ny fitabatabanao ny ratranao no antoky ny ho avinao. Tsy izany fa ny fahanginana no fomba tsara indrindra ankamamiana am-panetren-tena ny fiainana.



Raha maty androany aho...Ankapobeny

Posté par Berïnson 2017-04-08 10:21

Iza no hanampo hoe iny mivoaka ny trano maraina iny, andeha hamonjy asa, hiantsena na hihaona amin’ny namana dia loza no mitsena, fahafatesana no hita? Iza no hanampo hoe iny ilay mijanona ao an-trano iny, mitafatafa amin’ny vady na zanaka tiana, manao ny raharaha isan’andro na matory dia tonga tsy miera ny fahafatesana? Iza no hanampo hoe mety hitranga na amin’iza na amin’iza izany saingy tsy manam-potoana hisainana lalina izany ny tena. Satria miaina. Variana miaina. Tsy anaty programa ny ho faty. Ny handingana io varavarana io dia tsy hisy intsony.

Raha maty androany aho, betsaka ny zavatra noeritreretiko mbola hatao saingy azoko afoy tanteraka satria efa niaina ny fiainana tiako niainana aho. Efa niaina fahazazana sy fahatanorana tsy tonga lafatra nefa feno fitiavana aho. Efa nandia taona maro nanantena niafara tamin’ny fahadisoam-panantenana tanteraka. Efa nitomany ny ranomason’alaheloko rehetra aho. Efa nigoka ny hamamin’ny hoe tiana sy lalaina. Efa nankafy ny segondra tsirairay niarahana tamin’ny namana nanaovana hadalana sy nihomehezana. Efa nahita ny tsiron’ny hoe nandray an-tanana ny fiainana sy nahita ny voka-tsoan’ny fikirizana.

Raha maty androany aho ka maty alohanareo ray sy reny niteraka ahy, tiako ho fantatrareo fa fantatro fa izay noteneninareo sy nataonareo dia ny hahatsara ahy. Fantaro fa tsy misy zavatra tiako ho hafa kokoa tamin’ny fahazazana sy fahatanorana mamy sy feno fitiavana tanilanareo. Ny fahazarana tsara sy ny soa toavina nomenareo dia sarobidy tamiko sy nanefy ilay izaho androany. Tiako ho fantatrareo fa izay safidy nataoko, nety na tsy nety, dia safidy tsy nataoko handratrana anareo fa safidy hianarako ny fiainana. Raha azoko natao dia nakambako Soeda sy Madagasikara dia ho teo anilanareo foana aho nanohana ny andavanandronareo amin’ny fahanterana.

Raha maty androany aho ka maty alohanareo telo dahy iray tampo amiko, tiako ho fantatrareo fa mieritreritra anareo isan’andro aho na eo aza ny elanelan-tany. Tsy misy andro lasa ka tsy hieritreretako anareo sy hahatsiarovako ny fahazazana sy fahatanorantsika niaraka. Fatotra sy kofehy amboniny tsy azon’inon’inona na iza iza tapahina ireny na tiana na tsy tiana. Tiako ho fantatrareo fa na zoky tsy teo foana niaro sy nanohana izay safidy nataonareo aza aho dia tsy niova aho fa mbola ilay zoky manahy sao tsy sambatra ianareo. Ilay zoky manantena fa na tsy eo aza aho, na eo aza ny fiainana nofidiana aleha avy, dia eo foana ianareo ho tia sy hikolokolo ny ray sy reny nipoirantsika.

Raha maty androany aho dia tiako ho fantatr’i Maro koa fa fantatro fa ilay hodiny mafy be toa hodi-tsokatra ety ivelany io no miaro ilay olona be fitiavana, tia manampy, tia manoro sy manitsy izay tsy mety. Harena sarobidy tsy voasolon’inon’inona na voasolon’iza n’iza ny fisianao tamin’ny fiainako, Maro. Iza ny olon-tiana sady namana hahavita ho ahy ray masiaka be ronono sy anadahy mpisangy ratsy raha tsy ianao? Tiako ho fantatrao fa ianao ilay olona tsy vitan’ny fo fidiana irery nefa tsy tapaky ny saina lalaina irery. Matoa tonga hatreto isika dia noho ny fiaraha-miasan’ny fahadalako sy ny fahendreko mikonokonona amin’ny fiaraha-miasan’ny fahadalanao sy ny fahendrenao.

Raha maty androany aho, dia tsy maty aho fa matory. Satria fantatro fa ao am-pon’izy mianadahy lalandava aho. Ianareo no anakandriamasoko roa. Raha marary ianareo dia ory ny aty fanahiko. Faly ianareo dia sambatra aho. Ianareo no zavatra tsara indrindra nihatra tamiko sy isaorako an’Andriamanitra isan’andro. Izy koa no angatahiko hitari-dalana anareo sy hiaro anareo. Ny faniriako lalina ao dia ny hahatsapanareo fa n’inon’inona mitranga amin’ny fiainanareo, na tsara na ratsy, dia raisina sy ekena am-pahendrena. Rehefa avy eo, ampiasao ny hery sy tanjakareo hanatrarana ny nofinofinareo rehetra. Sambatra aho, tena sambatra aho manana anareo!

Raha maty androany aho, ampiakanjoy akanjo tsotra. Ataovy anaty vata tsotra. Na anaty vazy tsotra. Aza mandany vola mividy voninkazo na zavatra hafa. Fantatro fa tia ahy ianareo na izany aza. Ampiasao am-pahendrena iainanareo fiainana tsara sy mendrika ny vola. Andefaso mora an’ireny hira tiako be nefa mahasosotra anareo ireny aho dia tsofy rano handry am-piadanana. ’ndrao aho hifoha eo, hanaraka ny dianareo, satria tsy foiko loatra ny fiainana misy anareo.