...ho soratsoratra manainga fanahy

...ho soratsoratra manainga fanahy

Azur et Asmar, narindran'i Michel Ocelot

Tantara an-tsaryPosté par Lalasoa Berïnson 2012-04-07 14:31

Ankizilahy roa samy hafa, ny iray zanak'andriana vazaha, i Azur io, ary ny iray i Asmar, zanak'ilay mpanompovavy arabo nokaramain'ny rain'i Azur hitaiza azy. Na dia izany aza dia zaza nahazo fitaizana mitovy izy roalahy hatramin'ny fahaterahany ka mandra-panasarahan'ny rain'i Azur azy ireo tampoka.

Samy nobeazina tamin'ny kolon-tsaina arabo ary samy nikolokolo nofinofy hanafaka ilay "fée"-n'ny Djinns voahidy ao anaty trano fitaratra. Noho ny rain'i Azur nandroaka ny renin'i Asmar tsy hiasa tao aminy intsony àry dia tapaka teo ny fifandraisan'i Azur tamin'ity nantsoiny ho Mama hatramin'izay sy i Asmar izay toy ny rahalahy taminy.

Nony lehibe nanan-tsafidy amin'izay anefa i Azur dia tsy nihevitra afa-tsy ny hitady "ilay tany mahagaga" notantaraina taminy fahakely izy ary vonona hitady any an-toerana ireo fanalahidy 3 mamoha ny vavahady afo, ny vavahady maimbo ary ny vavahadin'ny vy maranitra; vavahady izay tsy maintsy andalovana eny amin'ny lalana mankany amin'ilay fonja trano fitaratra misy ny "fée"-n'ny Djinns. Nanapa-kevitra ny hiampita ny ranomasim-be àry izy.

Noho ny fihaonany kisendrasendra tamin'i Crapoux (vazaha nanana ny nofinofin'izy roalahy koa saingy tsy nahomby ka nitoetra tany ihany ary nampiasa ny fahalalany momba ity tany nivahiniany ity mba hivelomana ao) dia nihaona koa tamin'i Jénane, ilay reny nanabe azy fahiny i Azur. Na dia efa nanadino ny ankamaroan'ny hainy tamin'ny fiteny arabo aza izy dia ampy nandreseny lahatra ny renin'i Asmar izay hany tavela fantany sy ilay hira fandrotsirotsy azy fony kely.

Toy ny angano sy tantara mahafinaritra rehetra dia tsara fiafarana ity tantara an-tsary momba an'i Azur sy Asmar narindran'i Michel Ocelot ity. Manasongadina ny hasarobidin'ny fifanampiana izy; ary mampiseho ny soa lehibe entin'ny fifandeferana.

Hafatra iray hafa tiako asongadina eto am-pamaranana ny maha-tsy manam-paharoa ny andraikitra hampita amin'ny taranaka ny fahaizana ny tenindrazan'ny tena. Hoy Jénane tamin'i Azur rehefa nanontany azy i Azur raha tsy mampaninona ny hitoerany ao aminy noho izy manga maso:

Mahalala tany ankiroa aho, fiteny ankiroa, fivavahana ankiroa. Noho izany dia manana fahalalana avo roa heny noho ny olon-kafa aho.

Raha mahay tenim-pirenena roa na telo ny taranantsika, faninefany izany ny malagasy dia manana fahalalana avo efatra heny noho ny olon-kafa izy. Tsy manana "fée" mila hafahana avy ao anaty trano fitaratra anefa ny tantarantsika. Saingy manana kosa isika Madagasikara mila hafahana avy ao amin'ny rindrim-baton'ny fahantrana.

Aiza anefa no ahitantsika ny lakile hamoha ny vavahady afon'ny fananararaotam-pahefana sy hamoha ny vavahady maimbon'ny fitiavana kolikoly? Ary ny vavahady vy maranitry ny fifaminganana? Aiza ny lakilen'izany?

  • Commentaires(0)//blaogy.lalasoa.se/#post43

Kirikou et la sorcière, narindran'i Michel Ocelot

Tantara an-tsaryPosté par Lalasoa Berïnson 2011-05-18 17:14

Tantara mahafinaritra avy ao Afrika andrefana ny tantaran'i Kirikou ary narindran'i Michel Ocelot ho sary mihetsika. Tantarana ankizilahy kely iray; ny kely eto dia kely ara-batana no kely amin'ny taona. Tsy araka ny maha-kely azy anefa fa tena mafy loha koa i Kirikou. Ripak'i Karaba mpamosavy ny lehilahy rehetra teo an-tanànany ary ilay dadatoany izay hany sisa tavela aza dia eny an-dalana handeha hiady amin'i Karaba ny andro nahaterahany io.

Tantara mahatsikaiky izy ity satria mirakitra sehon-javatra tsy fahita andavanandro. Minitra vitsy monja taorian'ny nivoahany ny kibon-dreniny dia sady efa mahay miteny sy mametraka fanontaniana be dia be izy ary afaka nihazakazaka nanenjika ny dadatoany hanohitra an'i Karaba sahady avy eo. Tsy misy rano sy sakafo intsony mantsy ny tanànany ary ny lehilahy dia natelin'i Karaba avokoa, izay raha ny marina dia novainy ho masinina kely ho miaramilany saingy afaka niverina ho olombelona toy ny teo aloha rehefa afak'i Kirikou ny tsilo tao an-damosin'i Karaba ka lasa tsara fanahy izy.

Tantara mampisaina koa anefa ity tantara ity satria manokatra ny eritreritra hahita ny tsy hitan'ny maso. Araky ny tantara dia ilay tsilo miraikitra ao amin'ny lamosin'i Karaba no nahatonga azy ho kirìna sy ratsy fanahy. Soa ihany fa mahira-tsaina sy kely i Kirikou ka mora taminy ny nanala am-pitaka ilay tsilo. Nanjary tovolahy tsara tarehy sy tomady izy rehefa nahazo oroka iray avy tamin'i Karaba. Ny fiafaran'ny tantara? Nivady izy roa ary niverina tamin'ny laoniny ny zavatra rehetra.

  • Commentaires(0)//blaogy.lalasoa.se/#post21

Tantaran'olon-droa

Tantara an-tsaryPosté par Lalasoa Berïnson 2011-01-30 11:06

Roméo et Juliette dia noforonin'i Shakespeare ny faramparan'ny taonjato faha-16. Tantara niafara tamin'ny fahafatesan'ireo tanora roa mifankatia. Tantaram-pitiavana mbola ankafizin'ny tanora maro hatramin'izao na dia efa betsaka aza ireo nosoratana sy nolalaovina, tsy voatery ho fitiavana mandika lalàna, tsy voatery ho fitiavana hamoizana ny aina, tantara tsara lavitra sy misy azo akàna lesona mifanaraka amin'ny fiainana andavanandro ankehitriny.

Raha ny atolotry ny Festival du Film eto Göteborg izay nanomboka ny 28 janoary teo hatramin'ny 7 febroary izao dia misy vitsivitsy azo fantenana raha hoe tantaran'olon-droa no resahina.

Angèle et Tony (Frantsa), narindran'i Alix Delaporte, dia horonan-tsary mitantara ny fiainana andavanandron' i Angèle sy Tony, olona anankiroa samy hafa, samy manana ny lasany nefa mifanintona sy mifamatotra.

Monica & David (Amerika), narindran'i Alexandra Codina. Tantaram-pitiavana tsy manam-paharoa, adiny iray mitantara ny herintaona amin'ny fiainan'i Monica sy David.

Chico & Rita (Espaina), narindran'i Fernando Trueba sy Javier Mariscal. Chico sy Rita dia mpitendry zava-maneno sy mpihira nifanojo ka nifankatia kanefa nosembanin'ny tsy fifankahazoan-dresaka.

  • Commentaires(0)//blaogy.lalasoa.se/#post4