...ho soratsoratra manainga fanahy

...ho soratsoratra manainga fanahy

Boky tsy manam-paharoa

Fakafaka bokyPosté par Berïnson 2014-06-01 09:55

Ny Baiboly. Ahitana endrika literatiora koa ao anatiny: manomboka amin’ny tononkalom-pitiavana, tantaram-piainana, taratasy nosoratana ho an’olona na vondron’olona manokana, faminaniana, lalàna sns. Tsy misy afaka misingana anefa ireo fa ny fitambaran’izy rehetra no mahafeno ny Baiboly. Amin’ny ankapobeny dia azo sokajiana 7 ireo karazan-tsoratra hita ao aminy: ireo bokin’i Mosesy, ireo tantaran’ireo fanjakana fahiny nifanesy, ireo soratra poetika, ireo tenim-pahendrena, ireo faminaniana, ireo evanjely ary ireo epistily.

Satria ny kanto no tiana asongadina dia andeha ireo soratra poetika ao amin’ny Baiboly no hovoaboasantsika eto: ny Salamo, ny Tononkiran’i Solomona ary ny Fitomaniana. Ireo boky telo izay samy poetika ireo dia samy miendrika amboaran-tononkalo avokoa.

Misy salamo ampiasaina rehefa hanao sorona fangatahana na fisaorana ao amin’ny Tempoly. Ao ny salamo fangataham-pamonjena noho ny aretina, ny fiampangana diso na ny tsy rariny. Ao ny voady. Ao ny salamo fiderana noho ny vonjy na fanafahana azo avy amin’Andriamanitra.

Misafoaka manenjika mandrakariva ny mpampahory ahy; maro tokoa ny mirehareha miady amiko. Amin’ny andro atahorako no itokiako Anao.” Salamo 56: 2.

Ny Tononkiran’i Solomona dia mirakitra ireo tononkalo momba ny tena fitiavana. Kisendrasendra nandritra ny fitsangatsanganany an-kalesy no nahitan’i Solomona Mpanjaka ilay tovovavy tantsaha izay nanintona azy mafy. Nanana vady maro i Solomona saingy niavaka indrindra ny fitiavany ity tovovavy ity ka nahaloa-bolana azy hoe:

Mampianiana anareo amin’ny gazela na amin’ny dieravavy any an-tsaha aho, ry zanakavavin’i Jerosalema: Aza manaitra na mamoha ny fitiavana raha tsy efa sitrapony.” Tononkiran’i Solomona 2: 7.

Mifanohitra amin’ireo boky roa tononina etsy ambony fa ny Fitomaniana dia mirakitra alahelo mafy. I Jeremia mpaminany no nanoratra azy taorian’ny naharavan’ny mandan’i Jerosalema. Noho izany, ireo tononkalo ao dia mitantara ny fisaonan’ny Jiosy ny faharavan’i Jerosalema sy ny nirodanan’ny tempoly. Nadikan’ireo vahoaka ireo ho fandaozan’Andriamanitra azy ny fahareseny ka nokaikerin’ny nenina izy ireo.

Indrisy, mitoetra manirery izao ilay tanàna feno olona! Efa tonga toy ny mpitondratena izy! Ilay nalaza tamin’ny firenena sy andriambavy tamin’ny tany samy hafa dia efa miankin-doha kosa izao!” Fitomaniana 1:1.

Kanto dia kanto tokoa ny nanoratana ny Baiboly, Tenin'Andriamanitra. Ny hafatra raketiny sy ampitainy ho an'ny zanak'olombelona anefa no zava-dehibe indrindra.



  • Commentaires(0)//blaogy.lalasoa.se/#post83

Oscar et la dame rose, an’i Eric-Emmanuel Schmitt

Fakafaka bokyPosté par Lalasoa Berïnson 2013-04-23 21:59

Andro iraisam-pirenena ho an’ny boky sy ny zon’ny mpanoratra androany ka tsy hay ny tsy hiresaka fara fahakeliny boky iray sy mpanoratra iray. Notsongaiko tao anatin’ireo boky an-tapitrisany maro mendrika horesahina androany ny boky mitondra ny lohateny hoe Oscar et la dame rose (2002). Amin’ireo boky enina nosoratan’i Eric-Emmanuel Schmitt izay mahaforona ny «Le cycle de l’invisible» dia ity boky ity no fahatelo. Samy mandalina finoana ireo boky enina ireo ary ny mampiavaka ity boky ity dia ireo taratasy alefa amin’Andriamanitra isan’andro.

Tovolahy kely, 10 taona, Oscar no manoratra ny ankamaroan’ireo taratasy ireo. Tratry ny homamiadana izy ary 12 andro sisa no hahavelomany. Kisendrasendra no nihaonany tamin’i Mamie-Rose, mpamangy ireo ankizy marary any amin’ny hôpitaly. I Mamie-Rose ihany no azony namborahina ny andavanandrony sy hany afaka niara-paly sy niara-ory taminy nandritra ireo andro farany niainany. Izy koa no nandefa ireo taratasy nosoratany hiakatra ny lanitra sy hamakivaky ny habakabaka.

Hevitra iray natoron’i Mamie-Rose an’i Oscar ny hihevitra ny andro iray ho folo taona. 19 desambra tamin’izay. “Rehefa tapitra izany ny 12 andro dia 130 taona aho?” hoy Oscar. Azonareo sary an-tsaina ve fa ny andro tsirairay izany dia mampiseho ny dingana vitan’ny olombelona iray isaky ny folo taona? Nampifanakaiky sy nampifamatotra azy mianaka (na azy miafy ny marimarina kokoa) ireo andro ireo.

Rehefa maty ka nandao ny tany i Oscar dia toy ny hoe tontosan’i Mamie-Rose ny andraikitra niantsorohany, dia ny hanamaivana an’i Oscar amin’ny aretiny alohan’ny ahafatesany. Rehefa namaky ireo taratasy nosoratany anefa ny manodidina azy dia ny mifanohitra amin’izany no tsapa. I Oscar aza no nanao izay ahamaivana ny fahabangana rehefa tsy ho eo izy. Ny finoany mafy an’Andriamanitra dia hery sy tanjaka lehibe ho azy iatrehany ny fangirifiriany isan’andro. Nanjary ohatra tsara ho an’ny hafa manodidina azy izy. Ny taratasy farany navelany dia mirakitra fehezanteny tokana: “Andriamanitra irery no manana zo hamoha ahy”.

Ary ahoana ny antsika? Inona no hery entintsika isetrana ny zava-manahirana antsika isan’andro?

  • Commentaires(0)//blaogy.lalasoa.se/#post64

Je ne suis pas celle que je suis, an'i Chahdortt Djavann

Fakafaka bokyPosté par Lalasoa Berïnson 2012-04-06 12:57

Amin'ny fomba toa tsy mampino nefa mampiaiky, sady mahaliana no mampitaintaina, indraindray mampihomehy, indraindray mampalahelo mampanganohano, no ihazonan'i Chahdortt Djavann ny fahalianan'ny mpamaky ny Je ne suis pas celle que je suis navoaka ny 2011.

"Izaho no izaho" angamba no fandrentsika matetika fa araka ny lohatenin'ny boky dia asehon'ny mpanoratra mazava ao ny hoe iza i Donya fony izy zaza sy tanora tany an-tanindrazany ary iza izy nony tonga tany Frantsa. Raha nitombo sy nihalehibe teo ambany fitondrana mpangeja sy mpanindry ny vehivavy izy tany Iran dia irery sy niady irery tamin'ny fiainana kosa izy tao Frantsa.

Vao eo am-piandohan'ny vakiteniny ny mpamaky dia efa mahatsikaritra fa mifandimbidimby eo ny pejy 2 na 3 mirakitra ny resaka ifanaovany amin'ilay psy falehany taorian'ny nanandramany namono tena tao Paris sy ny pejy 4 na 5 mitantara ny fiainany tany an-tanindrazany. Tsy tantara roa samy hafa anefa ny an'i Donya fa tantara roa mifameno sy mifampitohy. Ny iray manazava ny anton'ilay iray hafa. Ary ilay iray hafa tsy inona fa vokatr'ilay tantara tany aloha.

Na dia hoe tantara mbola hitohy aza ity bokin'i C. Djavann ity, dia tsy hoe mamela baraingo lehibe dia lehibe iray mitatao izy akory fa amin'ny maha-mpamaky tsy mahandry tantana ny tena dia azo atao ihany ny manambatra an'eritreritra ny banga eo anelanelan'ireo tantara roa ireo. Na, raha tsy izany, dia azo atao koa ny manandrana mamaly ny kiana arangan'ny mpanoratra momba ny psikanalizy sy ny toerany eo amin'ny fiaraha-monina eropeana.

Boky idealy tokony hovakian'izay rehetra nandao, na mandao, na mieritreritra ny handao (eny fa na ny tsy handao mihitsy ny tany niaviany aza) ity boky matevina efa ho 530 pejy ity mba hampisaintsaina ny amin'izay hampiasantsika ny "fahafahantsika" raha ao atao hoe "fahafahana" ny fiampitana ranomasina.

Satria raha ny fizotry ny tantara mantsy dia toa mbola ny momba ilay ray marary saina, ilay fiaraha-monina marary saina, ilay firenena marary saina izay nilaozana ihany ity mbola mangeja ilàna fanafahana ka entina velarina lava eo anatrehan'ny psikology ity.



  • Commentaires(0)//blaogy.lalasoa.se/#post42

La délicatesse, an'i David Foenkinos

Fakafaka bokyPosté par Lalasoa Berïnson 2012-02-08 12:41

Nandehandeha teto amin’ny Aterineto aho ka nahita ny dokambarotra momba ny sarimihetsika namboarina avy amin’ny bokin’i David Foenkinos mitondra ny lohateny hoe La délicatesse. Izaho manokana dia aleoko mamaky ny boky toy izay mijery ny sarimihetsika raha hoe tantara mitovy ihany. Hafa mihitsy mantsy ilay sary an’eritreritra foronin’ny saina raha mamaky ny boky noho ny mijery ilay sary voafetra atolotry ny mpandrindra ny tantara.

Tovovavy iray nihaona kisendrasendra tamin’i François i Nathalie. ”Raha ranom-boankazo aprikaoty no fidiany hosotroina”, hoy François any an-tsainy any ”dia hanambady azy aho”. Dia nivady tokoa ry zareo. Niaina sambatra toy ny mpifankatia rehetra na dia nifidy ny tsy mbola hiteraka aza. Fito taona taty aoriana, maty voadonan’ny fiara i François ary diso fanantenana tanteraka i Nathalie. Niezaka ny hamerina azy ho ao amin’ny kodiaram-piainan’ny manan’aina ny manodidina azy kanefa tsy nahomby na dia nandeha aza ny taona. Tia loatra an’i François izy ary mbola manohy an’eritreritra izay nety ho fiainan’izy ireo raha mbola teo foana.

Indray andro, nanao fihetsika tsy nomanina nefa tsy azo nofafana intsony i Nathalie. Ary na izy aza tsy mahay manazava ny antony. Rehefa tonga tao amin’ny biraony iny i Markus (lehilahy soedoa eo ambany fifehezany) dia norohiny. Nanakorontana tanteraka ny fiainan’ito farany io oroka maimaim-poana io. Fahagagana ara-bakiteny ho an’ny manodidina rehetra ny hoe fiarahan’izy roa. Niafara tamin’ny fialan’izy ireo tamin’ny asany sy ny fiantombohan’ny tena fifankatiavan’izy roa ny tantara.

Mahafinaritra ny fandrafetan’i Foenkinos ny toetra mitavozavozan’i Markus ho toetra maha-te-ho tia. Ary mahaliana ny fanitarana sy fanampim-panazavana atolotry ny mpanoratra eny anelanelan’ny tantara. Toy ny henoko ery ny fikapokapoky ny vodin-kiraron’i Nathalie mandeha amin’ny lalantsara. Toy ny hitako ery i Markus manatona an’i Chloé hanolotra ilay fehezam-bonikazo lehibe dia lehibe manafina ny tarehiny. Mahay mitondra ny mpamaky any amin’ny tontolo tsy misy nefa sarotra afoy i David Foenkinos!



  • Commentaires(0)//blaogy.lalasoa.se/#post37

Avund och konkurrens - känslor i vardagen, an'i Marta Cullberg Weston

Fakafaka bokyPosté par Lalasoa Berïnson 2011-12-26 23:03

Tamina gazety iray teto an-toerana no nampirisihina ny mpampianatra rehetra hamaky ity boky nosoratan'i Marta Cullberg Weston ity: Avund och konkurrens - känslor i vardagen (2010). Raha adika tsotra dia hoe "Fialonana sy fifaninanana - fihetseham-po andavanandro". Tsy nahavaky ny antsasany akory aho dia resy lahatra fa tsy ny mpampianatra ihany fa ny olona tsirairay mihitsy dia tokony hahalala ny raketin'ilay boky.

Araka ny fandinihan'ny mpanoratra mantsy, izay psikôlôgy ihany koa, ny fialonana sy fifaninanana dia fihetseham-po afenintsika, tsy mba firesaka firy kanefa iainana andavanandro. Fakafakainy ao amin'io boky io ny antony mahatonga antsika mialona, ny fisehony ary ny fomba andresentsika io fihetseham-po ratsy io. Ny fanazavana entiny momba ny fialonana dia tohanany amin'ny alalan'ny ohatra maro toy ny eo amin'ny samy mpiray tam-po, ny mpianakavy, ny mpiara-miasa, ny mpinamana sns sns. Andeha àry hofintinina fohy ireo hevitra telo lehibe ireo.

Vao herintaona fotsiny isika olombelona dia efa ahitana ny fototry ny fialonana. Ny faniriana hanan-drery. Ahoana no ataon'ny zazakely iray te-hanana ny saribakolin'ny zaza iray hafa? Vao herintaona monja isika dia efa hianatra ny hiaina ny hoe misy zavatra tiantsika ho azo kanefa tsy ho azontsika satria an'ny ankizy hafa.

Asongadin'ny mpanoratra fa miseho amin'ny endrika maro samihafa izy io. Indraindray voamariky ny tena ihany dia voahitsy, indraindray tsy nahy ka mihombo sy manimba ny tena, ary avy eo manimba ny hafa. Mifampitohy ho azy toy ny vakana ny faniriana hanan-drery sy ny fampitahana. "Izaho koa mba te-handoko miaraka amin'i Dada!", hoy ny ankizivavy kely iray mahita ny rainy sy ny zandriny miara-mandoko sary. "Ny an'i Madama i Anona ihany no tian'i Madama! Izy tsinona mahay ko!", hoy ny mpianatra iray malahelo. "Nahoana ry zareo atsy avaratra mahavidy fiara tsara tarehy ka isika no tsy hahavidy?", hoy ry zareo ao atsimo. "Ny karaman'i Ranjato izao nefa ny ahy izao fotsiny!", hoy Ranary mpiara-miasa iray. "Ny an'i Pasitera, rehefa Ra-Jean-Ba no miteny dia hasoasoavina ery nefa rehefa izahay tsy misy mandraharaha. Nefa ange mba samy diakôna izao e!" sns sns. Dia tonga ho azy ny tohivakana manaraka: ny fifaninanana. Na ny zavatra hafa ratsy kokoa toy ny kifosafosa, ny fanaratsiana, ny faminganana, ny vono olona.

Tsy voamarikareo ve fa ny olona akaiky antsika ihany no anaovantsika fampitahana sy hifaninanantsika?

Iray amin'ny vahaolana natolotra handresena ny fialonana ny fanovana ny fomba fijery zavatra. Araka ny fikarohana dia tsy ny hafa velively, tsy ny hafa velively fa ny tena dia ny tena ihany no mamboly ao anatin'ny tena ireo fihetseham-po ratsy ireo. Ny tsy fantatsika anefa dia ny hoe ny hafa no tifirina noho ny fialonana saingy ny tena no voa. Misy fitenenana mahatonga saina vitsivitsy ireto notsoahina avy tao amin'ny boky:

"Tsy misy na iray aza miaiky fa be fialonana ny tenany." -Plutarkos

"Eo am-pahitana ny hasambarana na ny fandrosoan'ny hafa no mahatonga ny tsy fahampiana amin'ny tena ho mangidy kokoa." -Arthur Schopenhauer

"Tsy mila mamono ny jiron'ny hafa ianao mba hampirehitra kokoa ny jironao." -Mpanoratra blaogy iray ao amin'ny devote.se.

"Ilay be fialonana mino fa ny akohon'ny mpifanolobodirindrina aminy dia mitovy habe amin'ny gisany." -Ohabolana danoà

  • Commentaires(0)//blaogy.lalasoa.se/#post32
Suivant »