...ho soratsoratra manainga fanahy

...ho soratsoratra manainga fanahy

01 mey 2014

AnkapobenyPosté par Berïnson 2014-05-01 07:06
75 taona androany no nanaovana ho andro tsy fiasana nefa andraisan-karama ny 01 mey. Finaritra ery ny ankamaroan'ny olona hanararaotra ny 01 mey hialana sasatra, handeha hitsangatsangana miaraka amin'ny tapaka sy namana, hanao ny raharaha tsy vita nandritra ny herinandro, sns. Mora ery, noho izany, ny manadino ny hevi-dehibe fonosin'ny 01 mey.

Andro lehibe iraisam-pirenena ahatsiarovana ny tolon'ny mpiasa nitaky ny zony ny 01 mey. Io andro io no natokana ankalazana ny mpiasa ka ivoahany eny an-dalambe sy anaovany fihetsiketsehana.

Marina fa ny "asa" dia niova nifanaraka amin'ny toetr'andro. Raha mampiasa vatana mafy taloha dia saika mipetraka fotsiny ankehitriny. Na misy ihany aza asa vatana tsy maintsy atao dia efa namoraina izy ireny noho ny fitaovana sy ny teknika arifomba izay mivoatra isan'andro.

Na tokony ho andro ifaliana aza ny 01 mey noho ny zon'ny mpiasa notakiana sy efa azo dia tsy feno tanteraka izany satria mihabetsaka ny tsy an'asa, mihalalina ny elanelana ara-tsaranga eo amin'ny fiaraha-monina, mitombo ny fahantrana ary mbola goavana ny ezaka atao hanarenana izany.

01 mey androany. Na ho mpandray anjara ianao na ho mpitazana fotsiny dia aza manadino ny hevi-dehibe raketiny satria ny asa no fototry ny fiainana!

  • Commentaires(0)//blaogy.lalasoa.se/#post82

Mihevitra toy ny mpampianatra

AnkapobenyPosté par Berïnson 2014-04-05 08:15

Tsy ny rehetra no mpampianatra, lehibe sy mpitondra saingy ny rehetra dia afaka mianatra na mihevitra toy ny mpampianatra. Ny tanjona dia ny ahatsapan'izay entina, mpianatra, mpiasa na zanaka fa mianatra zavatra izy amin'izay ataony sy ampiandraiketina azy fa tsy hoe mpanatanteraka baiko fotsiny.

Ny gazety Fast Company, ohatra, dia nanadihady mpampianatra sy mpanofana maro tamin'ny alalan'ny fanontaniana hoe: Ahoana no atao hoe mpampianatra mahay? Raha fintinina ny valiteny azo dia tahaka izao manaraka izao:

Ny mpampianatra mahomby dia
1/ manasongadina ny mpianatra sy izay ataony: mpitarika fotsiny ihany izy ka tsy ny ataony no zava-dehibe fa izay zava-bitan'ilay tarihina
2/ mamantatra ny mpianany sy izay ilainy ianarana: mahalala izay nataony taloha, ny talenta ananany, ny nofinofy sy hetahetany
3/ manao izay ahatsapan'ilay mpianatra fahatokisana fa hahazo tohana sy fanampiana izy raha tojo zava-tsarotra
4/ tia ny asany ary mamindra ny hafanam-pony amin'izay ataony
5/ mampahalala ilay mpianatra ny amin'izay fahalalana tsy ampy na lesoka tokony hahitsy
6/ manao izay ahazoana antoka fa azon'ny rehetra ny tiana ambara sy ny zavatra ampitaina ary ny antony anaovana izatsy na izaroa
7/ tsy menatra ny mitsotra ny amin'izay zavatra tsy fantany na tsy hainy
8/ mamerimberina ny hevitra fototr'ilay zavatra ianarana amin'ny fomba samihafa mba hampahazava tsara ny zavatra ampitaina
9/ mametraka fanontaniana mampieritreritra sy manosika hanadihady, toy ny hoe 'nahoana?'
10/ tsy milaza ny vahaolana fa kosa mizara fahalalana betsaka araka izay azo atao ka mamela ilay mpianatra hanapa-kevitra irery ny amin'ny hoe inona sy ahoana no ataony
11/ mihaino. Ny fampianarana dia fifanakalozan-kevitra.
12/ mamela ny mpianatra hifampianatra

Mora tononina izany rehetra izany ary tsy mora ny mitondra olona, mpiasa, mpianatra na zanaka saingy ny ezaka tsikelikely isan'andro no manampy ny tena hihatsara hatrany.

  • Commentaires(0)//blaogy.lalasoa.se/#post81

2013: taona sampona?

AnkapobenyPosté par Berïnson 2013-11-23 15:05
Tao anatiko mangina tao, tsy mba nandray am-pifaliana ny taona 2013 aho. Ary ao anatiko mangina ao, tsy andriko ny andehanany. Tsy mbola migadona akory ny volana desambra dia efa manao jery todika ny taona aho no sady manontany tena hoe: Inona ny zavatra nivaingana vitako tamin'ity taona 2013 ity? Tsy andriko ny andehanany!

Noho izy isa 13 ve? Angamba! Betsaka ny firenena nanafoana ny isa 13 tamin'ny fiainany andavanandro. Any El Salvador, ohatra, dia tsy mitondra ny laharana 13 ny mpilalao baolina. Ny fiaramanidina any Genève sy Zürich koa, ohatra, dia tsy ahitana laharan-tseza faha-13 ary any amin'ny seranany dia tsy misy ny varavarana fiondranana faha-13.

Noraisina ho isa mitondra loza ny isa 13. Ny zoma faha-13 amin'ny volana dia ninoana ho andro itrangan'ny loza betsaka kokoa. Voaporofo anefa fa tsy marina izany. Toy ny andro rehetra amin'ny taona dia mety hitranga ny loza (na mety tsy hitranga koa) ny zoma faha-13-n'ny volana.
Mazava ho azy fa toy ny taona lasa rehetra ihany koa ny taona 2013. Taona namoizana ny havan-tiana; saingy taona niaraha-niriaria koa tamin'ny tapaka sy namana. Angamba taona ho nahaverezan'ny asa, na ny mifanohitra amin'izany, taona nahitana asa vaovao sady tsara kokoa. Mety ho taona nandaozan'ny fitiavana no sady angamba koa taona nihaonana tamin'olon-tiana vaovao. Eny, taona taratry ny fiainana mitondra ny mangidy indrindra nefa mivimbina koa ny soa sy ny mamy.

Fa asa na kisendrasendra na fifanandrifian-javatra fa na ny lahatsoratra faha-13 ato amin'ny blaogiko koa aza dia mba sampona: Ilay voninkazo kilemaina. Voninkazo nefa kilemaina. Kilemaina nefa tiana. Tahaka ny taona 2013.

  • Commentaires(0)//blaogy.lalasoa.se/#post77

Nofiko, hono, Madagasikara...

AnkapobenyPosté par Berïnson 2013-09-21 07:04

Nisy fifaninanana lahatsoratra nampanaovin’ny WYLD Madagascar tamin’ny volana jona tamin’ity taona ity ka iray ihany amin’ny lohahevitra telo no azo nisafidianana ho votoatin’izay hosoratana. Ny voalohany dia momba ny demôkrasia (Mety amintsika Malagasy ve ny demôkrasia?), ny faharoa momba ny nofy an’i Madagasikara (Inona ny nofinofinao momba an’i Madagasikara ary ahoana no anatanterahana izany?) ary ny fahatelo momba ny fifidianana amin’ity taona ity (Inona no andrasanao amin’io fifidianana io ary olona toa inona no irinao ho lany eo?).

Dia nieritreritra ny handray anjara aho. ”Demôkrasia! Mety amintsika ve ny demôkrasia? Misy demôkrasia ve moa any amintsika? Ary na misy demôkrasia aza any amintsika ilay endrika isehoany any ve no tokony horesahina sa ilay tena demôkrasia hoe demôkrasia? Lavitr’ezaka be izany!”. “Ary ilay faharoa? Nofinofy an’i Madagasikara! Efa ela aho no nanonofy momba an’i Madagasikara (ary mino aho fa tsy izaho irery!) saingy tsy nisy tanteraka izy ireny fa dia nijanona ho nofy ihany.” “Sa ilay fahatelo momba ny fifidianana? Tsia ka. Ny teny faharoa manako ao an-dohako raha vao mahare hoe ‘fifidianana’ aho dia ny hoe ‘hala-bato’. Tsia ka! Hatramin’ny nahaterahako, tsy mbola naheno fifidianana nahafa-po ny sarabambem-bahoaka aho.”

Satria ‘manavia’ ahy (vakio hoe ’manidy ny foko’) ny miresaka pôlitika dia ilay lohahevitra faharoa no nofidiako hovoaboasana. Na hitoetra ho nofinofy ihany aza. “Asa! Iza no mahita raha ho tanteraka ihany ireny indray andro any? Na tsy ho ahy sy izay velon’aina ankehitriny aza fa ho an’ny taranaka rahatrizay! Amin’izay fotoana izay, nofy ratsy sisa ny rivotra iainantsika androany.”


Vakio eto ny lahatsoratra nalefako ho fandraisan’anjara:


[Andalana notsoahina avy ao amin'ny lahatsoratra:

Nofiko, hono, Madagasikara… mahay mikolokolo ka ny tanora rehetra mahazo fampianarana, omena fahafahana ny zaza tsy an-kanavaka, tsy maintsy mi-an-tsekoly fa hanovo fahalalana… Ny ankizy ananantsika!

Nofiko, hono, Madagasikara… mahay miray hina ka ny fiarovana tafika iray, miara-dia hiaro izay rehetra malagasy, tsy voasara-bazana fa mafy toy ny vato… Ny hery ananantsika!

  • Commentaires(0)//blaogy.lalasoa.se/#post74

Miverimberina

AnkapobenyPosté par Lalasoa Berïnson 2013-09-01 16:56
Miatoa kely anie dia diniho e!

Inona no maha-samy hafa ny tara sy ny taratara?
Ny mikaoty sy ny mikaotikaoty?
Ny miaraka sy ny miarakaraka?
Ny faly sy ny falifaly?
Ny manonofy sy ny manonofinofy?
Ny mandany sy ny mandanilany (andro, vola, zara)?
Ny sorena sy ny sorisorena?
Ny miresaka sy ny miresadresaka?
Ny miady sy ny miadiady?
Ny misaraka sy ny misaratsaraka?

Dia tara indray, dia miaraka, dia misaraka...
Dia...

Miatoa kely ange.

Zava-mpitranga matetika izany sa zava-miseho matetitetika?
Tantara iray niverina no miverimberina?

Dia izaho izany izao, manoratra sa manoratsoratra?
Ary ianareo, mamaky sa mamakivaky?
Na ahoana na ahoana, ny tanjoko manoratsoratra io
dia tsy ny hampisaina velively fa ny hampisaintsaina
tsy ny momba ny teny miverimberin-droa ihany
fa ny tantaram-pitia miverimberina koa.

  • Commentaires(0)//blaogy.lalasoa.se/#post73
« PrécédentSuivant »