...ho soratsoratra manainga fanahy

...ho soratsoratra manainga fanahy

Fianarana no lova tsy mety simba

AnkapobenyPosté par Berïnson 2018-08-01 15:14
Raha manokatra ny pejin'ny moov madagasikara momba ny fanabeazana ianao amin'izao isika miresaka izao dia hahita ireto sarim-baovao ireto mifandimby ao.


Tsy mila mamaky ny votoatiny akory ianao fa ny sary sy lohatenim-baovao dia miteny ho azy. Ny sary voalohany mampiseho lakilasy malagasy misy fanaka efa zary kaokan'ny taona maro ary ny sary faharoa miresaka ny fahazoana vola 55 tapitrisa dôlara ho an'ny fanabeazana malagasy. Firy isan-jaton'ireo vola ireo re no hitondra vokatra mivaingana ho an'ny mpianatra malagasy e?

  • Commentaires(0)//blaogy.lalasoa.se/#post107

Ampitahao...

AnkapobenyPosté par Berïnson 2017-10-28 09:12

Inona ny zava-manahirana, inona ny olana mitambesatra, inona ny fahoriana, inona ny hazo fijaliana mavesatra indrindra tsy zaka holanjaina sy mampamoy fo? Tsy fahombiazana amin'ny fiainana? Fahantrana? Asa very? Harena rava? Olon-tiana mandratra? Aretina? Fahafatesana? Lazao dia ampitahao...

Resahina matetika fa rehefa tojo olana saro-bahana ny tena dia mahasoa ny mandre ny fahorian'ny hafa, mahasoa ny mahalala fa misy ratsy kokoa noho ny toe-javatra misy ny tena androany. Manampy anao tsy hifantoka amin'ny olanao sy ny fijalianao ara-batana, ara-tsaina na ara-panahy izany. Sady marina izany! Misy miaina fahoriana ratsy lavitra noho ny misy anao.

Tsy mba ory olona nampitahaina fahoriana tamiko aho, fony zaza ka hatramin'izao. Anisan'ireny olona ireny i Bebe Rasoamananoro. Kamboty mbola kely izy, niady irery ny fiainany, narian'ny fianakaviany rehefa tojo ny vady tiany, maty ny zanany voalohany, maty koa ny vadiny, nikarama irery namelon-tena tany an-drenivohitra, haizin-kitroka sy tahotra no nibabeny irery ny fatin'ny zanany faharoa halevina 20 km avy eo, noraisin'ny fianakaviany ihany izy rehefa nifona hiverina saingy tsy ela dia maty koa ny zanany kely fahatelo.

Nisafidy ny hiteraka tsy manambady izy avy eo ary namelona irery ny zanany izay nanambady aman-janaka koa taty aoriana. Fiainana sy fahoriana aman-taona maro fintinina anaty soratsoratra vitsivitsy nefa mandrotika fo isaky ny tantaraina. Tsy sahy hampidera ny antsoiko ho hazo fijaliako aho isaky ny misaina ny ziogam-pahoriana nentiny. Marina tokoa fa misy mijaly mafy lavitra noho ny tena any ho any, henoy dia ampitahao... misy hery anohizana ny adim-piainana.

Fahendrena anisan'ny napetrak'i Bebe Rasoa ny hoe Mangìna. Na ory ianao, na manana, dia mangìna! Na faly, na tezitra, dia mangìna. Tsy ny fihorakorakao ny fandresenao na ny fitabatabanao ny ratranao no antoky ny ho avinao. Tsy izany fa ny fahanginana no fomba tsara indrindra ankamamiana am-panetren-tena ny fiainana.



  • Commentaires(0)//blaogy.lalasoa.se/#post104

Raha maty androany aho...

AnkapobenyPosté par Berïnson 2017-04-08 10:21

Iza no hanampo hoe iny mivoaka ny trano maraina iny, andeha hamonjy asa, hiantsena na hihaona amin’ny namana dia loza no mitsena, fahafatesana no hita? Iza no hanampo hoe iny ilay mijanona ao an-trano iny, mitafatafa amin’ny vady na zanaka tiana, manao ny raharaha isan’andro na matory dia tonga tsy miera ny fahafatesana? Iza no hanampo hoe mety hitranga na amin’iza na amin’iza izany saingy tsy manam-potoana hisainana lalina izany ny tena. Satria miaina. Variana miaina. Tsy anaty programa ny ho faty. Ny handingana io varavarana io dia tsy hisy intsony.

Raha maty androany aho, betsaka ny zavatra noeritreretiko mbola hatao saingy azoko afoy tanteraka satria efa niaina ny fiainana tiako niainana aho. Efa niaina fahazazana sy fahatanorana tsy tonga lafatra nefa feno fitiavana aho. Efa nandia taona maro nanantena niafara tamin’ny fahadisoam-panantenana tanteraka. Efa nitomany ny ranomason’alaheloko rehetra aho. Efa nigoka ny hamamin’ny hoe tiana sy lalaina. Efa nankafy ny segondra tsirairay niarahana tamin’ny namana nanaovana hadalana sy nihomehezana. Efa nahita ny tsiron’ny hoe nandray an-tanana ny fiainana sy nahita ny voka-tsoan’ny fikirizana.

Raha maty androany aho ka maty alohanareo ray sy reny niteraka ahy, tiako ho fantatrareo fa fantatro fa izay noteneninareo sy nataonareo dia ny hahatsara ahy. Fantaro fa tsy misy zavatra tiako ho hafa kokoa tamin’ny fahazazana sy fahatanorana mamy sy feno fitiavana tanilanareo. Ny fahazarana tsara sy ny soa toavina nomenareo dia sarobidy tamiko sy nanefy ilay izaho androany. Tiako ho fantatrareo fa izay safidy nataoko, nety na tsy nety, dia safidy tsy nataoko handratrana anareo fa safidy hianarako ny fiainana. Raha azoko natao dia nakambako Soeda sy Madagasikara dia ho teo anilanareo foana aho nanohana ny andavanandronareo amin’ny fahanterana.

Raha maty androany aho ka maty alohanareo telo dahy iray tampo amiko, tiako ho fantatrareo fa mieritreritra anareo isan’andro aho na eo aza ny elanelan-tany. Tsy misy andro lasa ka tsy hieritreretako anareo sy hahatsiarovako ny fahazazana sy fahatanorantsika niaraka. Fatotra sy kofehy amboniny tsy azon’inon’inona na iza iza tapahina ireny na tiana na tsy tiana. Tiako ho fantatrareo fa na zoky tsy teo foana niaro sy nanohana izay safidy nataonareo aza aho dia tsy niova aho fa mbola ilay zoky manahy sao tsy sambatra ianareo. Ilay zoky manantena fa na tsy eo aza aho, na eo aza ny fiainana nofidiana aleha avy, dia eo foana ianareo ho tia sy hikolokolo ny ray sy reny nipoirantsika.

Raha maty androany aho dia tiako ho fantatr’i Maro koa fa fantatro fa ilay hodiny mafy be toa hodi-tsokatra ety ivelany io no miaro ilay olona be fitiavana, tia manampy, tia manoro sy manitsy izay tsy mety. Harena sarobidy tsy voasolon’inon’inona na voasolon’iza n’iza ny fisianao tamin’ny fiainako, Maro. Iza ny olon-tiana sady namana hahavita ho ahy ray masiaka be ronono sy anadahy mpisangy ratsy raha tsy ianao? Tiako ho fantatrao fa ianao ilay olona tsy vitan’ny fo fidiana irery nefa tsy tapaky ny saina lalaina irery. Matoa tonga hatreto isika dia noho ny fiaraha-miasan’ny fahadalako sy ny fahendreko mikonokonona amin’ny fiaraha-miasan’ny fahadalanao sy ny fahendrenao.

Raha maty androany aho, dia tsy maty aho fa matory. Satria fantatro fa ao am-pon’izy mianadahy lalandava aho. Ianareo no anakandriamasoko roa. Raha marary ianareo dia ory ny aty fanahiko. Faly ianareo dia sambatra aho. Ianareo no zavatra tsara indrindra nihatra tamiko sy isaorako an’Andriamanitra isan’andro. Izy koa no angatahiko hitari-dalana anareo sy hiaro anareo. Ny faniriako lalina ao dia ny hahatsapanareo fa n’inon’inona mitranga amin’ny fiainanareo, na tsara na ratsy, dia raisina sy ekena am-pahendrena. Rehefa avy eo, ampiasao ny hery sy tanjakareo hanatrarana ny nofinofinareo rehetra. Sambatra aho, tena sambatra aho manana anareo!

Raha maty androany aho, ampiakanjoy akanjo tsotra. Ataovy anaty vata tsotra. Na anaty vazy tsotra. Aza mandany vola mividy voninkazo na zavatra hafa. Fantatro fa tia ahy ianareo na izany aza. Ampiasao am-pahendrena iainanareo fiainana tsara sy mendrika ny vola. Andefaso mora an’ireny hira tiako be nefa mahasosotra anareo ireny aho dia tsofy rano handry am-piadanana. ’ndrao aho hifoha eo, hanaraka ny dianareo, satria tsy foiko loatra ny fiainana misy anareo.



  • Commentaires(4)//blaogy.lalasoa.se/#post103

Tsaroana ny maty

AnkapobenyPosté par Berïnson 2016-11-01 10:01
Araka ny tantaram-pivavahana katolika, ny 01 novambra dia andro nahatsiarovana ny olo-masina nodimandry efa any an-danitra. Ny ampitso, ny 02 novambra no niangona indray ry zareo hivavaka ho an'ny fanahin'ireo maty tsy mbola tafakatra any an-danitra. Saingy raikitra ho fetin'ny maty ny 01 novambra. Ao ny mamangy fasana, ao ny mamonjy fotoam-pivavahana, ao ny mahatsiaro ny havana na tapaka sy namana efa maty sy manokana minitra ho fahatsiarovana azy ireny.

Marina fa tsy voatery ho ny 01 novambra ihany vao mahatsiaro ny efa lasa nodimandry isika. Isaky ny lasalasa ny eritreritro mandinika ny fikororosiana tanteraka mahazo an'i Madagasikara dia miverina mitambolona any amin'ny taona 1975 foana ny saiko. Taona nanoloran'ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel ny Kôlônely Ratsimandrava Richard ny fahefana feno hitondra ny Tany sy ny Fanjakana, ho Filoham-panjakana sady Lehiben'ny Governemanta, Minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny Teti-pivoarana. Enina andro taorian'izay monja dia maty notifirina izy sy ny Mpiambina azy roalahy.

Minisitry ny "ala olana" no niantsoan'ny fokonolona ny Kôlônely Ratsimandrava taona vitsy talohan'ny nanolorana azy ny fitondrana sy ny nanekeny am-panetren-tena hoe: "Tsy hiamboho adidy aho, Mon Général". Izy mantsy no nivoy sy nanentana ny vahoaka momba ny Fokonolona. Nahazo namosa-kevitra an-kalalahana sy am-pilaminana tamin'ny Radio Madagasikara ny vahoaka malagasy manerana ny Nosy nifanakalo hevitra mivantana. Tsy mba nanavakavaka izy fa nandray am-pifaliana izay rehetra te-hifanakalo hevitra aminy momba ny Fiandrianam-pirenena. Ny fenitra nijoroan'ny Kôlônely Ratsimandrava hitondrana ny Tany sy Fanjakana dia ny "fanahy no maha-olona", fenitra miorim-paka amin'ny Fokonolona.

Nitety an'i Madagasikara ny Kôlônely Ratsimandrava hanatonana mivantana ny vahoaka Malagasy hanazavany ireo rafitra mifehy sy ifampifehezana natsangany. Tamin'izany dia efa fantany fa nisy ny olona nanao resaka ambadika hanapotehana io rafitra io na dia eo aza ny famelany ny varavaran'ny fifampiresahana hisokatra lalandava. Saingy nanoro hevitra sy nampisaina ny Fokonolona izy.

"Raha hanangana ny Fokonolona izao isika, dia hovantsika izany fandehan-javatra izany. Ny fomba hoentintsika dia toa izao: ireo olona hofidiana, dia hofidinareo tsirairay. Ka ianareo no hitsara araka ny fahalalanareo azy. Ny Governemanta tsy hanery anareo. Ary eo ireo manam-pahefana rehetra ireo, tsy hoterena ireo, tsy hisy hahazo baiko hoe tsy maintsy handany an-dRanona na Ranona, fa halalaka tanteraka ny safidy. Fa anjaranareo ny mikaroka ao anatin'ny Fokontany izay misy anareo ny hoe iza no olo-marina eto? iza no olona azo antoka? iza no azo ianteherana? na ho mafy na ho sarotra ny raharaha. Fa tsy ilay olona izay hanararaotra, hieritreritra ny hameno ny paosiny aloha, hanao izay fitapitaka rehetra izao; fa izay olona hitanareo kosa fa marina, mandeha amin'ny hitsiny lalandava, izany no hofidinareo. Ary iny olona iny, matetika aza, tsy mba hirehareha, satria tsy mba mahazatra antsika Malagasy loatra ity fampielezan-kevitra ity. Samy midera tena eo daholo: "tsy fantatrareo fa izaho no Ra-Anona, ianareo ireo tsy misy mitovy amiko, tsy misy mahay noho izaho ianareo, fa izaho ihany no hahavita ity raharaha ity!!" Tsy raha fomba teto amintsika Malagasy izany. Ary nandritra ny 70 taona izay, be dia be ireo olona izay azo heverina fa olomangam-pirenena, tsy mba nandroso teny, tsy mba nahazo toerana, satria tsy tiany izany hoe midoka tena izany. Ireny no tokony hotadiavinareo hitondra amin'izao fotoana izao fa be loatra ny zavatra izay manahirana antsika. Ka raha toa ka amin'izao fotoana izao indray isika no mbola ho voafitaka, mbola ho diso lalana indray dia tsy fantatra hoe inona no zavatra hihatra amin'ity firenentsika ity!"

Toy izany ny kabary nataon'ny Kôlônely Ratsimandrava tao Anjiro Moramanga rehefa nanao antso avo izy mba hiray hina, hiara-hiasa sy hifanampy ny isam-batan'olona ao amin'ny Fokontany. Toy izao no namaranany io lahateniny io: "Fa raha ohatra ka tsy misy ny firaisankina, tsy misy ny fiaraha-miasa, dia tsy misy akory ny tena hoe fahafahana. Ny fahaleovantena na ny fahafahana dia zavatra mora raisina, sady zavatra mora miporitsaka sy very koa. Anjarantsika amin'izao fotoana izao, tompokolahy sy tompokovavy, no mitana azy ary tsy mamela azy intsony. Misaotra tompoko".

Saingy maty ny Kôlônely Ratsimandrava. Maty niaraka tamin'izay ny herin'ny Fokonolona. Niporitsaka sy very ilay fahaleovantena sy ilay fahafahana. 40 taona mahery aty aorian'ny nahafatesany dia mbola kofehy manara-panjaitra foana ny vahoaka malagasy. 40 taona mahery aty aorian'ny namonoana azy dia mbola faty entina foana isika.


- Loharano: Ny fokonolona araka ireo kabary nataon'ny Kôlônely Richard Ratsimandrava eran'ny Nosy 1973-1975



  • Commentaires(0)//blaogy.lalasoa.se/#post101

Ny Noelinay ry zareo...

AnkapobenyPosté par Berïnson 2015-12-24 11:11

Ara-tantara dia tsy mba nankalaza Noely ny Malagasy. Ny vahiny nampiditra ny fivavahana kristiana tany Madagasikara no nitondra ireo fety kristiana isan-karazany, anisan’izany ny Noely, ny 25 desambra, andro nifanarahana ho andro nahaterahan’ny Mesia. Nanjary fomba fanao mahazatra àry, ny mandeha mivavaka maraina ary miara-misakafo amin’ny tapaka sy namana, na ny fianakaviana akaiky rehefa tonga ny Noely. Zatovo sy tanora maro koa no mandany fotoana mahafinaritra miaraka amin’ny namany avy eo.

Fomba hafa ankalazana ny Noely koa ny fifanakalozana fanomezana. Na tsy mamela aza ny toe-javatra indraindray dia vatra ny midi-kizo mividy zavatra tsy ho novidiana mihitsy andro andavanandro, andro tsy Noely: sakafo, fitafiana, haingo, fanaka sy ny sisa tsy ho voatanisa. Ny antony angamba dia mba hamalifaliana tena andro iray ao anatin’ny taona. Na koa mba hahitan’ny olona fa maharaka fety ny tena. Atatatata ny mozika, ararak’ompana ny zava-pisotro mahamamo, azo ekena ny toetra sy fitondran-tena tsy ho natao andro mahazatra. Satria Noely. Satria fety.

Mifanohitra amin’izany rehetra izany ny noelin’ny kamboty nohirain’Ny Nanahary: ao an-trano bongo lavitry ny haingo mamirapiratra isan-karazany, vary soa sy kitoza lavitry ny hena sy vorona mafilotra, rom-patsa sy sakay lavitry ny saosy matsiro isan-karazany, tanin’afo sy sentosento ary ranomaso lavitra ray aman-dreny. Noely mahonena!

Saingy ny Noelinay ry zareo, tsy toy ny Noelinareo. Ny Noelinay, tiako ho noely malagasy.



  • Commentaires(0)//blaogy.lalasoa.se/#post93
Suivant »